From Ravinala to Maple

Niala tany amin'ny ravinala 🇲🇬 namonjy érable 🇨🇦

01/05/2024

Sady bonne année no mamaly fanontaniana e!

12/08/2023

Zoma mamaly fanontaniana nanako valiny Immigration Canada 🇨🇦 Madagascar 🇲🇬🇲🇬

06/16/2023

Raha tsy te ho very nationalité Malagasy aloha, aleho tsy mandeha aty Canada zany ! 😂

Dia ahoana tokoa moa zany ? Tsy Gasy intsony izany izahay io zao ?

Serieux ! Izahay manana nationalité Vazaha aloha dia raha haka avion, tonga dia mividy billet dia lasa zao. Tsy mila milahatra etsy sy eroa no tsy mila preuves de zao sy zao.

Aminay fotsiny izany dia efa liberté ary zava-dehibe 😁.
Dia mila manao choix amin’ny fiainana, ka ho aty Canada ve ? Sa tsy ho avy ?

03/21/2023

Salama e! Any amin'ny ilany andrefana kely anio. Vakio sao mahasoa dia zarao raha mahasoa!

03/08/2023

Ny mombamoban'ny permis de conduire Ontarien sy Malagasy

02/04/2023

New Brunswick na Nouveau-Brunswick (NB) no hany tokana province bilingue officiellement eto Canada. Manana ny programme d'immigration proviciale (toy ny Arrima an'i Quebec) tsy misy idirany amin'ny programme fédéraly Entrée Express izy.

02/03/2023

🔥🔥🔥 Madagascar bat le Niger 1-0 et est 3ème du CHAN 2022 !

L'actualité de Madagascar en continu sur https://actu.orange.mg/depeches/

10/12/2022

Salama e, hiresaka capitalisme kely aho hampisokatra ny saintsika fa misy zavatra tsy azo forcena manko. Ny Canada dia firenena capitaliste izany hoe ny tombotsoany aloha vao ny anao. Marina fa misy pénurie ana main d'oeuvre fa ny azy efa mazava ny politikany hoe raha tsy maintsy hanafatra mpiasa dia olona farafahakeliny :
1- Nianatra [misy diplôme na certificat manamarina izany]

2-Minimum d'expériences : efa mahay ilay asa anafaran'ny mpampiasa azy

3- Miresaka amin'ny Français na Anglais

4- Olona mahitsy sy marina : izay no ilanan'ny casier judiciaire ary manao vérification ana antécédent mihitsy ny IRCC alohan'ny hanomzany visa

5- Olona mandoa hetra : izay no ilana ny fiche de paie sy profil financier rehefa mangataka PT

Noho izany rehefa hitanao fa tsy tafiditra amin'ireo profil ireo ianao dia aza forcena. Miverena mianatra, maka expériences. Jereo daholo ireo tolotrasa mandeha rehetra dia jereo hoe inona ireo fahaizana, fepetra takiany dia imasoy.

Ka aza dia forcena fotsiny hoe izay asa misy any ataoko daholo fa atao aloha izay hahalasa. 1% na hoe possible tena tsy misy ny chance raha izay no imasoanao. Aza adinoina fa tsy ny malagasy irery no te hoaty ary raha samy hanafatra olona tsy nianatra sy tsy misy expériences aleony maka olona eto amin'ny manodidina eto (Mexique, Haiti, Bresil).

Toy ny projet de vie rehetra dia mila fiomanana sy filofosana, jereo daholo ny option misy rehetra.

Ampanajana feno!

PS : Sary tsy misy idirany fa mampiseho fotsiny hoe sahala amini'zao ny volon'andro aty amin'izao 😄

07/29/2022

Ireo zavatra tokony ho ataonao ny herinandro voalohany rehefa tonga eto Canada... ka mpifindra monina (Visa immigrant) na mpiasa ianao (Visa Travailleur)

1- Service Canada : NAS
Mila manantona ny service Canada akaiky anao indrindra ianao miaraka amin'ny passeport sy izay taratasy nomen'ny immigration teo amin'ny Aeroport ahafahanao mangataka ny Numéro d'Assurance Sociale. Io no ahafahanao manohy ny pitsopitsony rehetra. Rehefa azo io dia afeno toy ny mot de passe fa saropady.

2- Compte bancaire :
Misy banque maromaro fa ny top 5 angamba dia : RBC, Scotia Banque, BMO, Banque National, Desjardins. Samy manana tolotra hoana nouveaux arrivants daholo izy ireo ary azonao tsidihana mialoha ny tranokala hanaovanao fampitahana. Any ao ariana any mety hanaovako fampitahana. Taratasy ilaina matetika : Passeport, dossier d'immigration (Permis de travail na Confirmation RP), ary ny NAS

3- Service provincial : Ho ahy manokana eto Ontario aho, dia Service Ontario : Mametraka demande ana carte de Santé. Miovaova isaky province izy io eto Canada, fa hoan'ny Ontario dia normalement eo amin'ny 153 jours eo ny attente, fa nandritra ny covid ireny ny ahy toa moins de 2 mois dia nalefany poste. Taratasy ilaina : Passeport sy ny dossier d'immigration

4- Resaka trano : Isany tena manahirana surtout amina grandre aglomération dia misy crise de logement nanomboka Covid, sady miakatra ny hofatrano no misafidy be ireo tompo-trano. Misy critère maro be toy ny hoe mila manana référence, misy ny sasany tsy mila biby, tsy mila zazakely, tsy mila olona mifoka. Matetika misy service d'aide isaky ny communauté (ville) dia afaka manantona azy ireny raha tena tsy mahita. Ny fomba fitadiavana dia Marketplace FB sy Kijiji. Miezaka miditra groupe FB eo amin'izay tanana hipetrahanao.

5- Resaka Transport : Ny grande aglomération misy transport en commun matetika ary afaka maka forfait ianao pour un mois ohatra. Afaka mandeha bus, metro sns, selon an'ilay tanana misy anao. Ny olako kely fotsiny tamin'ilay izy rehefa hiver somary parcours ilay miandry bus :D Tsara manana fiara ihany. Hanaovako post mitokana mihitsy ito sy ny resaka fanovana permis any aoriana any.

6- Connexion / Téléphonie / TV : miankina amin'ny trano hitanao, fa indraindray collocation no azonao dia matetika tsy miasa saina amin'ito ianao fa tafiditra anaty hofantrano. Misy kosa hoe appartement no azonao dia amin'izay fotoana izay tsy maintsy mampitaha indray ianao, ireo compania ngeza hita eto matetika : Bell, Rogers, Virgin, Telus. Isaky ny ville mety misy companie local koa fa tsara manontany ny manodidina koa.

7- Resaka sakafo : Raha tena sahirana satria somary maisatra kely ny première semaine dia matetika misy ny banque alimentaire, misy koa ireo grande surface manao promo ireo sakafo efa akaiky ho lany daty. Azo idirana tsara :D

Ireo no tadidiko aloha fa afaka manontany na manampy ao amin'ny commentaire izay manana ho lazaina...

07/08/2022

Raha misy fanontaniana manitikitika dia apetraho amin'ny commentaires dia ezahiko valiana anaty post iray. Ireto misy valiny mety tonga ho azonao aloha :

1 - RESAKA ASA : Tsy afaka mitady asa ho anao aho fa tsy izany no tanjoko fa mizara ireo dingana niainako ahafahanao mijery ny izay mba mety aminao.

2 - RESAKA BUDGET : Jereo ilay post épinglé ao fa io ny référence nialako tany tamin'ny 2019-2020.

3 - RESAKA FIANARANA : Tsy tena ananako hevitra firy satria visa travailleur no nialako tany 🇲🇬🇲🇬. Mety manana ambara ihany fa efa misy groupe any miresaka fianarana fotsiny azonao idirana. Ny azo antoka aloha dia ny fianarana no lalana haingana indrindra raha ho aty Canada.

4 - MP : Aza dia tia tena fa raha misy fanontaniana mety hanampy ny hafa dia apetraho eto fa manomboka eo ilay toe-tsaina mila miova 😊😊

07/07/2022

Salama daholo! Androany manana fotoana kely dia hiresaka raha no tiana atao. Misy Post ao ambany ao mitantara ireo dingana narahiko niala tany amin'ny tany misy Ravinala katraty amin'ny tany feno Erable. Averiko ireto aloha ny fepetra minimum takiana raha hisafidy ny fifindramonina entrée express :

1) Catégorie ana Asa 0, A, B ao amin'ny CNP
2) Manana niveau Bacc minimum izy zay raha tsy diso fa mila atao équivalence amina organisme reconnu : Misy karazany maro fa WES izay no nosafidiako fa io no be mpampiasa
3) Manana expérience au moins 1 an amin'ilay sokajin'asa voalaza eo ambony
4) Mahay miteny Frantsay sy/na Anglisy : Porofona amin'ny alalan'ny Examen io TEF sy/na IELTS : Minimum 7/10
5) Manana ny preuve de fond : 13 310 CAD hita ao anaty compte bancaire au moins 6 mois alohan'ny hametrahana demande (olona iray io fa miakatra arakarakin'ny isan'ny olona)
6) Hipetraka ivelan'i Quebec

IREO VOLA TADIDIKO NO TANISAIKO ETO :
===> Ireto aloha zany no lany raha mbola tsy misokatra ny compte ao am IRCC
*Equivalence diplôme : WES : https://www.wes.org/ 240 CAD, payena en ligne

*Envoi diplôme via poste na dhl na fedex, entre 190.000 - 400.00 Ar, fedex no nataoko tamin'izany fa entre an'ireo ny montant

*Droit TEF Canada tao amin'ny Alliance : 46€ X 4, 184€ en tout tamzany aloa eny Andavamamba en ariary selon cours ny banque centrale

*Droit IELTS : 220€ tamzany aloa en dévise ao am ETP Antsahavola

*Cours d'anglais en ligne 150$ teo no hitako mora indrindra feno chaine ao amin'ny youtube dia matetika mi propose offre premium izy ireny.

*Cours d'anglais en présentiel 45.000 Ar par heure dia 20h minimum tamzany no notakian'ilay prof. Dommage efa maty ilay mpampianatra fa afaka nomeko ilay contact raha mbola velona izy.

===> Rehefa mahazo invitation sy rehefa mahasokatra compte indray dia ireto no mety ho takiana, marihako fa ny ahy nisy an'ilay permis de travail teny antsefatsefany teny dia afaka nivady fa tsy maintsy atao foana ireto raha vao haka visa mihoatran'ny 6 mois aty Canada :

*Biometrie : 85 CAD payena en ligne rehefa mametraka demande

*Visite médicale (eny Alasora, tsy maintsy eny): Tsy ananako ny montant exacte fa niaraka tamin'ny fivezivezena sy analyse toa 500.000 ar teo no lany.

*Hitako nisy nizara fa efa tsy mila mivezivezy intsony amin'izao fa tonga dia zareo no mikarakara ny rehetra, raha misy afaka manamarina dia afaka manampy.

*Passeport : 190.000 Ar ny droit ankoatran'ny mametraha kely sy ny kivezivezy

** Ny ahy moa permis de travail nialana tany dia 155 CAD naloa niaraka tamin'ny biometrie en ligne

*Raha hoe entree express tsy manana offre d'emploi dia tsy maintsy ao anaty compte moa ilay 13 310 CAD minimum, au moins 6 mois de relevé bancaire : https://www.canada.ca/.../preuve-fonds-suffisants.html

===> Rehefa mahazo visa
* Billet d'avion : manomboka 950 $ eo ny ethiopians amin'izao fa raha tsy mahay teny anglais somary sahirana hono miditra eo Toronto. Ny ahy Air France no nalaiko tamin'izany 1300 € teo ngamba. Tsy nila visa France fa miova avion fotsiny

* Airbnb : raha tsy misy ivantanana miala any dia ito no solution tsotra indrindra, Ahitana manomboka 40 CAD par nuit eo : trano efa misy ny rehetra au lieu de maka hotely.

===> Nisy nanontany ilay resaka linkedin sy ilay reecriture CV
* https://ca.topresume.com/ 350$ : Optimisation profile linkedin sy réécriture CV format canadien. Marihako fa tsy misy garantie hoe tsy maintsy mahita asa rehefa mandoa an'io sady tsy afaka mandainga fa izay experience sy fianarana nataonao ihany no omenao dia izy mandrafitra azy mba ho mora hitan'ny chasseur de tête na employeur ny profil anao. Ny ahy moa informatique ary ny indien aty amin'ny tany anglophone tena ambony be ny concurence donc tsy maintsy nanao an'io investissement kely io aho ary nahitako vokany.

* Abonnement Linkedin premium : 30$ par mois un mois ihany no nataoko satria 5 jours aho dia nahazo entretien dia najanoko ny abonnement vao azoko ny contrat 😃

Ny imprevu sns moa samy manana ny azy fa amin'ny ankapobeny aloha dia ireo aloha no ilaina raha hanao entrée express, misy tsy voatery atao, toy ny cours de langue, fa izaho dia isany namerina examen 2 noho ilay mieritreritra hoe efa hay zany e 😃 Tsy natao hanakiviana akory fa entina hisitomana saina antsika hoe ny immigration dia projet de vie donc mila investissement. Mirary soa. Hiezaka hizara ireo fomba fiaina sy mety hoe fika mety hanampy ihany rehefa misy fotoana koa araho ny pejy.

Mirary soa e!

07/06/2022

Salama daholo e! Nosokafako ity pejy ity hitantaranko iny aventure niala tany amin'ny tany misy Ravinala nakaty amin'ny tany feno Erable. 😄😄 Somary lava ny tantara fa sady mbola valaky ny fety 😄 Tsy Quebec no misy ahy fa Ontario, province iray anglophone aty Canada, ho zaraiko eto ireo mamintina ny lalana nolalovako niala tany 🇲🇬 ka hatreto 🇨🇦

***Niainako daholo na na ***
Fiatombohan'ny taona 2019 no nisy namana efa niasa tany Frantsa no hitako nifindra monina aty. Nanontaniako moa dia hoe ny azy QET no nataony dia lasa izy. Nanomboka nikaroka aho. Izaho dia miasa amin'ny tontolo informatika. Natao ny fikarohana rehetra ka lalana 4 eo no mety ahafahan'ny tera-tany malagasy makaty : Mianatra, Miara, Manambady Kanadiana, Mifindra monina. Nyfifindra monina koa dia misy hoe miankina amin'ny province sa féderaly. Ny idéaly indrindra moa dia ito farany, izany hoe tsy voafatotra amina mpampiasa fa tonga dia manana zo mitovy am Kanadiana afa tsy ny mifidy. Raikitra ary ny safidy, ny fianarana nataoko tsy misy idiran'ny informatika fa certifications en ligne betsaka ka nanahirana nitady université sy kamo koa tamzany hoe hiverina hianatra ve. Hoe hiasa, mafy be ny adversera tam zany tao am QET, indroa retenu entretien, efa vita test technique, fa dia tsy haiko fa dia tsy voatazona. Leo aho dia lasa ary hoe aleo manangombola dia hanao Entrée Express. Sady tao anaty siten'ny IRCC dia nilaza fa 6 mois ny traitement ka dia natao ny safidy

**Fitiniko ireto ny fepetra ahafahana manao an'io :**
1) Catégorie ana Asa FEER, 0, 1, 2, 3 ao amin'ny CNP
2) Manana niveau Bacc+2 minimum izy zay raha tsy diso fa mila atao équivalence amina organisme reconnu : Misy karazany maro fa WES izay no nosafidiako fa io no be mpampiasa
3) Manana expérience au moins 1 an amin'ilay sokajin'asa voalaza eo ambony
4) Mahay miteny Frantsay sy/na Anglisy : Porofona amin'ny alalan'ny Examen io TEF sy/na IELTS : Minimum 7/10 ngamba izy zay
5) Manana ny preuve de fond : 12 800 CAD teo izy tam zany fa efa niaktra ho 13K mahery izy amzao (par personne ary miakatra arakaraky ny isan'ny olona)
6) Hipetraka ivelan'i Quebec

***PS : hotanisaiko eny ambany any ny vola rehetra lany ***
***Resaka examen de langue sy equivalence diplôme***
Tapa-kevitra ary fa hoe aleo aloha atao ny equivalence ana diplôme, février 2019 teo nalefa, 3 volana teo vao nivaly. 😩 Nefa mbola vao manomboka ny lalao. Mandra piandry an'iny lasa aloha nanao cours d'anglais en ligne sy tamina olona efa specialiste IELTS izay, natao ny examen ka 6 ny naoty azo 😕 sady kivy no nalahelo fa very vola (220€ be zao) tsy hoe tsy afaka fa afaka nataoko deuxième langue fa hoe aleo mamerina, 3 mois après teo vao nisy daty manaraka tamin'ilay IELTS, ka mandra mpiandry dia nanao Francais indray, nisozo loatra fa hoe zanatany frantsay kanho 7/10 (Niveau B2) no azoko, tsy afa po moa zany dia afaka un mois namerina sy nikotrana be dia nahazo niveau maximum ilaina 10/10

***Compte IRCC***
Marihako fa ilay note 7/10 (Francais) sy 6/10 Anglais io efa afaka nanokafana compte rehefa tafaverina ilay equivalence ana diplome. Nosokafana ny compte rehefa azo ny diplome ary natao mise à jour rehefa nihatsara ny notes ana langue, nahazo 8/10 tamin'ilay anglais ary maximum tamin'ilay français. Ny système Entrée express dia toy ny fisarihana ka izay tsara points sy profil no voasarika tamin'izany isaky ny 2 semaines. Ahoana no atao hahatsara an'ilay points : mila tsara nôtes ny test de langue, ny ambiny miankina amin'ny taona, diplôme, sns.. 28 taona aho tamin'izany anisan'ny note ambony indrindra, ary master ny equivalence azo. Izay no antony namerenako ilay test 2 mba tonga dia voasarika amin'ny tirage (Nijanona io resaka extraction nanomboka 2020 ary amty semaine ity izy io miverina).

***Sady nisozo no noravain'ikala COVID-19***
Mbola tsy nisy covid, mbola nilamina, décembre 2019 teo ary no niandry ny fisarihana fa fanasana avy amina province 3 no azoko (Anglophone daholo), nisozo loatra indray teo dia tsy nisy no valiako izy 3 moa sady ela be ny traitement au niveau provincial. Loza nefa fa dia tonga ra Covid, nihisatra daholo ny fisarihana. Teo vao tena hoe nanenina tongotra amantanana, nanome teo am 60 jours teo daholo ilay province fa izaho mbola nanana fanantenana dia nolaviko akitsirano ireo fanasana 😃

***Aleo mitady asa Linkedin no nahitako mangirana : ***
Very hevitra dia lasa nanao investissement tao amin'linkedin, naka coach aloha nanao réecriture ana profil hoe rehefa misy mitady dia mba ny ahy no mipoitra voalohany. Avy eo naka abonnement premium ka mahita ireo tolotra mety aminao tsara. 5 andro teo max dia naharay offre 3 aho, raikitra ny entretien, tonga atrany amin'ny test technique, anjarako nanao safidy : ny 2 Quebec, ny iray aty amin'ilay ipetrahako amin'izao. Ny Quebec be filirony izay, ankoatran'ny EIMT dia mila CAQ, mbola hiandry 6 volana mahery eo indray 🙁 Tonga dia nazava ny safidy izany fa aleo any amin'ny tany miteny anglisy sady efa nandaniana vola ny cours sy examen 😃

**Tsy misy avocat, fa nandeha zebra...Mobilité Francophone**
Ny nahatsara ilay province anglophone dia misy fomba hafa hahafahana mangataka permis de travail tsy mila EIMT, programme hoe Mobilité francophone, izy io moa dia PTF no azo fa zany hoe tsy miandry ela be zany fa iray andro dia azonao izay zavatra ilainao avy any amin'ny employeur. Be condition mazava hoazy : catégorie Asa 0-A-B, miasa ivelan'ny Quebec, ary manana preuve hoe mahay miteny frantsay dia TEF izany na TCF. Novakiako tsara daholo ireo fepetra dia tonga dia tao amin'ny profil, noresahana ny employeur dia nanokatra compte employeyr en ligne ary nandefa an'ilay contrat sy numero ana offre ahafahako mametraka PT, tonga dia nanao visite médicale au préalable aho (Teny alasora) Azavaina mialoha amin'ilay dokotera ao fotsiny hoe au préalable. Mi février 2020, napiditra demande PTF dia izaho tafiditra tamin'ilay hoe talent mondiaux, 2 semaines dia nivaly hoe alefao ny passeport, covid tam zany le mbola tsy nahoraka tany amintsika 😃 2 andro alohan'ny hidian'ny sisintany no niverina ny passeport. Ilay vola nangonina nanaovana EE tonga dia najedaka tany anaty billet d'avion 🙁 Lasa dia lasa ka dia tonga.... Tabernaaak fa hiver no niditra teto Canada, ny saina zara fa niomana satria dia hitsoaka Covid fotsiny, ny ankanjo moa dia eeeeee 😃 😃 ILay employeur moa mba tsara fandraisana nandefa olona avy any amin'ny 6h de route haka ahy tao am Hotely nanaovana quarantaine. PTF 4ans no nomen'ny teo amin'ny aeroport, ny ao amin'ilay contrat moa 3 ans fa dia 4 no nomeny.

**Resaka RP...**
Rehefa nahafeno un an d'éxpérience teto Canada dia éligible amina sous programme iray hoe CEC ao amin'ny entrée express iihany, tsy mila preuve de fond izy io fa mila manana experience au moins un an io. Soa ihany namerina ireo test nolazaiko tetsy ambony aho ka mbola valide izy ireo talohan'ny nametrahako demande. Fin mars 2021, nanao mise à jour profil, 01 avril tonga ny invitation, sahala amin'ny tsy teo no namenoako ny zavatra ilaina rehetra 5 jours teo nameno azy ampisainana sy ampitoniana. Napetraka ary naharay accusé de reception. 9 mois mahery teo ny traitement ka tamin'ny volana janvier teo ngamba no naharay ilay mailaka volamena hoe azonao ny RP, 2 semaine taorian izay tonga poste tato antrano ny carte, efa afaka mila amin'ilay mpampiasa mamatotra ahy aho fa question ana bon sens sy éthique sy hoe izy mba nanavotra ana tao arian'ny sendra maro. Dia mbola ato aho ary tsy manana eritrertitra hiala ary tiako ilay asa 😃

***Fankaherezana sy toro-hevitra ....***
* Tena mila faharetana farak'izay mafy ny fifindra-monina, ary izay no voizo ao anatinao ao.
* Mila vola ny fifindra-monina fa tsy vitan'ny arizato ampandriana. Eny na resaka asa aza dia mila vola, (Visite médicale, passeport sns) koa dia manangona foana raha azo atao.
* Aza mionona amin'ny facebook fa jereo ny tranokala isankarazany.
* Ny siten'ny gouvernement ihany no azo itokisana amin'ny resaka fifindra monina ka manana fotoana hamakiana
* Izaho moa tsy mpivavaka fa hoan'izay mivavaka dia hamafiso zany
PS: Raha misy fanontaniana dia ataovy amin'ny commentaires dia anaovako poste lavalava kokoa amin'ny fotoana manaraka.

07/06/2022

Hi

07/05/2022

Hi!

07/05/2022
Want your business to be the top-listed Media Company in London?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Videos (show all)

FAQ 2024
FAQ 11
Entrée Express  -- Immigration Canada 🇨🇦 Madagascar 🇲🇬

Category

Website

Address

London, ON
Other Newspapers in London (show all)
The World Review The World Review
1151 Richmond
London, N6A3K6

This is the public page for The World Review, an academic journal at Western University. This page i

Digantabangla Digantabangla
261 D East India Dock Road
London, E140EG

সত্যের পথে আগামীর দিকে!