Soeurs de Saint-Paul de Fribourg

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Soeurs de Saint-Paul de Fribourg, Media, Malaza Andoharanofotsy, Antananarivo.

02/05/2024

Miarahaba e!
Mitady olona hiasa. Ho an'izay liana dia antsoy io laharana eo amin'ny sary io
Mirary soa indrindra.

Photos from Soeurs de Saint-Paul de Fribourg's post 31/03/2024

🙏🙏Nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo, Aleloia!🙏🙏
Mahafaly anay maseran'ny Saint Paul de Fribourg ny miarahaba antsika rehetra nahatratra ny Paka 2024.
Hanenika ny fiainantsika anie ny hafaliana nentin'i Jesoa nitsangan-ko velona.
Mirary soa ho antsika rehetra.

28/03/2024

Mirary antsika hahavita soa ny herinandro masina sy hahazo voka-tsoa ara-panahy amin'izao fankalazana ny hateloana masina izao.Samia hahatratra ny Paka aby.

19/03/2024

Md Josefa ô, mivavava ho anay zanakao.

12/03/2024

Miarahaba antsika,
Amin'ny fo feno fitiavana no ankasitrahanay (Masera Rosa, ny fianakaviana manontolo, ny Soeurs de Saint Paul rehetra) anareo rehetra tsy an-kanavaka nitondra am-bavaka sy nankahery tamin'ny fahalasanan'ny Raiamandreny (VAHINY Adlolphe Raymond) dadan'i Sr Rosa . Lalin-devenana ny maty ary henin-kaja ny velona izay nilaozany.Samia isika hotahian'Andriamanitra
, dia mba ny soa indray no hifampizarana eto amin'ny manaraka.
Mirary soa indrindra tompoko.

09/03/2024

Miarahaba antsika amin'izao alinalina izao!
Nindaosin'ny fahafatesana androany 09 mars 2024 tao Diégo Suarez i VAHINY Adolphe Raymond, dadan'i Soeur Rosa, mpikambana ato amin'ny soeurs de Saint Paul de Fribourg.
57 taona izy izao lasa izao. Miara ory amin'ny fianakaviany ary mitondra am-bavaka azy ireo hahavita ny adidy fara-fanàna azy, mivavaka ho an'ny fialatsasatry ny fanahiny ihany koa mba hamindràn'Andriamanitra fo izy ka hahazo ny fiainana mandrakizay.
Mirary soa antsika rehetra.

03/03/2024

Miarahaba e!
Tsaroana anio ny tsingerin-taona nahaterahan'i Mompera Joseph Schorderet mpanorina ny fikambanana .
Mompera Joseph Schorderet, mivavaha ho anay🙏🙏🙏
Mirary soa antsika rehetra.

24/02/2024

Lohahevitra aroson'ny Eglizy antsika amin'ity Alahady Faharoa amin'ny Karemy ity. Mirary antsika rehetra hihavao ara-panahy hatrany mandritra an'izao fotan-dehibe iomanantsika hitsena ny fandresen'i Kristy izao.

24/02/2024

Anisan'ny fifadian-kanina tsara koa ity.
Mirary soa hatrany e!

30/01/2024

Maneho fisaorana antsika rehetra nankahery sy nitondra am-bavaka tamin'ny fahalasanan'ny Raiamandreny (Dadabe Etienne), tontosa soamantsara ny adidy fara-fananàna azy. Handry am-piadanana anie ny fanahiny.
Mirary soa antsika rehetra.
Samia hotahian'Andriamanitra tompoko!🙏🙏🙏

27/01/2024

Miarahaba antsika,
Namoy raiaman-dreny izahay ato amin'ny Soeurs de Saint Paul de Fribourg.
Nodimandry omaly ny rain'i Soeur Claudine Marie ( miasa any Cameroun)
Ity no solon'ny fampandrenesana ho antsika izay tratra antso .
Mankasitraka indrindra amin'ny fiombonam-bavaka.🙏🙏🙏

Photos from Soeurs de Saint-Paul de Fribourg's post 21/01/2024

Akon'ny Alahadin'ny tenin'Andriamanitra
Paroasy Md Charles Borromé Ambatomena Fianarantsoa.
Lamesa tamin'ny 06:30 notarihin'i Mompera Jean De La Croix RANDRIANANTOANDRO
Nentanin'ny Masera Filles de Saint Paul sy ny Soeurs de Saint Paul de Fribourg.

Nisongadina tamin'ny toriteny fa izay mandray ho sakafo ny tenin'Andriamanitra dia lasa lavidavitra kokoa eo amin'ny fiainam-pinoana hanarahantsika an'i Jesoa Kristy.

Nisy ny fametrahana famantarana manokana hanamarihana izany dia ny sary Baiboly lehibe sy ny Andron'ny Tompo.

✍️📸 Soeurs de Saint Paul de Fribourg Ambatomena.

20/01/2024

Mirary soa ho antsika rehetra!

13/01/2024

Mirary Alahady mahafinaritra homban'ny fahasoavan'Andriamanitra daholo.🙏🙏🙏

01/01/2024

Ny Maseran'i Saint Paul de Fribourg rehetra dia faly miarahaba anao tratry ny taona 2024. Enga anie ny fitiavana sy ny fiadanana no hanjaka ao ampotsika eo ampamakivakiana ity taona ity, ao anatin'ny fahatokisana tanteraka an'Izy Andriamanitra. Mirary soa indrindra.

24/12/2023

"Teraka ho antsika i Kristy ka avia re hitaoka Azy" enga anie ny hafaliana entin'ny Jesoa zazakely hitoetra mandrakariva ao mpontsika.
Mirary Noely feno hafaliana sy fitiavana ary fiadanana ho an'ny tsirairay izahay Sœurs de Saint-Paul de Fribourg🙏🙏🙏🌲

Photos from Soeurs de Saint-Paul de Fribourg's post 09/12/2023

Lamesa Fisaorana an'Andriamanitra noho ny faha 25 taona naha-relijiozy an'i Sr Françoise-Gabriella. Notontosaina tao amin'ny Paroasy Md Charles Borromé Ambatomena Fianarantsoa, ny zoma 8 Décembre 2023..
Isaorana isika rehetra niombom-po amam-panahy ary nitondra am-bavaka.
Samia hotahian'Andriamanitra.

Fintina an-tsary
📸📷📸 Soeurs de Saint Paul de Fribourg.

Photos from Soeurs de Saint-Paul de Fribourg's post 08/12/2023

🙏🙏08 Décembre 1873 -08 Décembre 2023: 150 taona ny Fikambanan'ny Sœurs de Saint Paul de Fribourg na Œuvre de Saint Paul. 150 Taona nitoriana ny Vaovao Mahafaly tamin' ny alalan'ny Boky aman-gazety sy ireo fitaovana ifandraisan'ny mpiarabelona.
Koa amin'izao fankalazana an'i Masina Maria Virjiny notorontoronina tsy azon-keloka izao dia enga anie mba hiroborobo hatrany ny Fikambanana. Mba ho maro anie ireo tanora hanatevin-daharana amin'ny famaliana ny antson'Andriamanitra, hitondra ny fahamarinana any ambanivohitra sy any antana-dehibe amin'ny alalan'ny asa sahanin'ny Fikambanana. Ary ireo masera zoky izay mankalaza ny faha-25 taona naha-relijiozy anie haharitra amin'ny fanompoana ny Eglizy amin'ny alalan'ny asa sahanin'izy ireo tsirairay avy. Masina Maria sy Md Paoly ary Mopera Joseph Schorderet Mpanorina ny Fikambanana anie hivavaka ho antsika!
HO ELA VELONA ANIE NY FIKAMBANANA🙏🙏🙏

25/11/2023

ALAHADY FAHA-34 MANDAVANTAONA TAONA A
🙏🙏🙏Anio ny Eglizy dia mankalaza an'i Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao? sady faran'ny taonan'ny Eglizy ihany koa. Antsoin'ny Eglizy ary isika mba hampanjaka an'i Kristy fa izany no maha-Kristianina antsika. Koa hivavaka isika mba hahay hanompo ny hafa indrindra ireo mijaly dia hanjaka ao amintsika tokoa i Jesoa. Hivavaka ihany koa isika ho an'ireo mpitondra rehetra na ato amin'ny Eglizy na ireo mpitondra fanjakana, mba hahay hampanjaka ny fiadanana tokoa izy ireo ka hampanjaka an'i Kristy eto amin'izao tontolo izao🙏🙏🙏

19/11/2023

Alahady faha-33 Mandavantaona Taona A:
🙏🙏🙏Loha-hevitra aroson'ny Eglizy ho antsika dia hoe: "AHAZOANA HASAMBARANA NY MIASA AMIN-KERIM-PO". Entanin'ny Eglizy isika anio ho vonona lalandava amin'ny fiandrasana ny Tompo! Takiana amintsika anio àry ny tsy maintsy hahaizantsika mampamokatra sy mampitombo ny fanomezam-pahasoavana na hoe talenta noraisintsika vokatry ny Sakramenta, izay mandrisika antsika hiasa amin-kerimpo ho an'ny Eglizy sy ny fiaraha-monina. Samia mikely aina ary isika mba hikatsaka mandrakariva ny sitrapon'Andriamanitra amin'izay rehetra ataontsika.🙏🙏🙏

29/06/2023

Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny fetin'i Md Piera sy Paoly, ny vavaka ataon'izy ireo anie hanampy antsika mba ho be herim-po ka tsy ho menatra hijoro ho vavolombelon'i Kristy amin'ny sehatra misy antsika tsirairay.
Mirary soa sy mitondra am-bavaka manokana ho an'ireo rehetra eo ambany fiarovany.Samia ho tahian'Andriamanitra!

Hira amin'ny vidéo: Ekar Analamahitsy

28/06/2023

🙏🙏🙏Vavaka Hasivianandro amin'ny fiomanana ny fankalazana ny fetin'i Md Piera sy Paoly andro fahavalo.Hivavaka isika ho an'ireo rehetra mitory ny Fahamarinana amin'ny alalan'ny fitaovam-pifandraisana rehetra eo amin'ny fiaraha-monina(Mpanao gazety, Mpiasan'ny Haino aman-jery)mba hahay hihaino mandrakariva izay hatoron'ny Fanahy Masina 🙏🙏🙏

27/06/2023

🙏🙏🙏Vavaka Hasivianandro amin'ny fiomanana ny fankalazana ny fetin'i Md Piera sy Paoly andro fahavalo.Hivavaka isika ho an'ireo rehetra eo ambany fiarovan'i Md Piera sy Paoly manokana, mba hanana zotom-po sy fahavononana mandrakariva amin'ny sehatra rehetra hikatrohany🙏🙏🙏

26/06/2023

🙏🙏🙏Vavaka Hasivianandro amin'ny fiomanana ny fankalazana ny fetin'i Md Piera sy Paoly andro fahaenina.Hivavaka isika ho an'ireo kristianina voaenjika ka tsy afaka maneho an-kalalahana ny finoany, mba hifikitra hatrany amin'i Kristy sy hijoro ho vavolombelony eo am-piaretana ny fijaliana🙏🙏🙏

23/06/2023

🙏🙏🙏Vavaka Hasivianandro amin'ny fiomanana ny fankalazana ny fetin'i Md Piera sy Paoly andro fahaefatra.Hivavaka isika ho an'ny Papa sy ny Eveka ary ny pretra mba hanana herim-po toa an'i Md Piera sy Paoly amin'ny fitarihana ny vahoakan'Andriamanitra🙏🙏🙏

22/06/2023

🙏🙏🙏Vavaka Hasivianandro amin'ny fiomanana ny fankalazana ny fetin'i Md Piera sy Paoly andro fahatelo.hivavaka isika ho an'ireo mpikatroka amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny samihafa, mba hahatsapa mandrakariva fa miaraka aminy lalandava ny fahasoavan'Andriamanitra ka tsy ho kivy amin'ny manahirana fa hijoro ho vavolombelon'i Kristy hatrany .🙏🙏🙏

21/06/2023

Miarahaba e!
Ho anareo nanontany hoe firy taona no afaka manatrika ny lasy(Camp Vocationnel)?
Hatreo amin'ny 3e no miakatra no afaka mandray anjara ; izany hoe ireo naka BEPC tamin'ity taona 2023 ity. Aza tara fa misorata anarana dieny izao.
Mirary soa ho antsika rehetra e!

21/06/2023

🙏🙏🙏Hasivianandro amin'ny fiomanana ny fankalazana ny fetin'i Md Piera sy Paoly; hivavaka isika ho an'ny Fikambanan'ny Soeurs de Saint-Paul de Fribourg, mba hanana hery sy fahasoavana amin'ny asa-pitoriana sahaniny eo anivon'izao tontolo izao.🙏🙏🙏

Want your business to be the top-listed Media Company in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Videos (show all)

Md Josefa ô, mivavava ho anay zanakao.
Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny fetin'i Md Piera sy Paoly, ny vavaka ataon'izy ireo anie hanampy antsika mba ho ...
🙏🙏🙏Vavaka Hasivianandro amin'ny fiomanana ny fankalazana ny fetin'i Md Piera sy Paoly andro fahavalo.Hivavaka isika ho a...
🙏🙏🙏Vavaka Hasivianandro amin'ny fiomanana ny fankalazana ny fetin'i Md Piera sy Paoly andro fahavalo.Hivavaka isika ho a...
🙏🙏🙏Vavaka Hasivianandro amin'ny fiomanana ny fankalazana ny fetin'i Md Piera sy Paoly andro fahaenina.Hivavaka isika ho ...
🙏🙏🙏Vavaka Hasivianandro amin'ny fiomanana ny fankalazana ny fetin'i Md Piera sy Paoly andro fahaenina.Hivavaka isika ho ...
🙏🙏🙏Vavaka Hasivianandro amin'ny fiomanana ny fankalazana ny fetin'i Md Piera sy Paoly andro fahadimy.Hivavaka isika ho a...
🙏🙏🙏Vavaka Hasivianandro amin'ny fiomanana ny fankalazana ny fetin'i Md Piera sy Paoly andro fahaefatra.Hivavaka isika ho...
🙏🙏🙏Vavaka Hasivianandro amin'ny fiomanana ny fankalazana ny fetin'i Md Piera sy Paoly andro fahatelo.hivavaka isika ho a...
🙏🙏🙏Hasivianandro amin'ny fiomanana ny fankalazana ny fetin'i Md Piera sy Paoly; hivavaka isika ho an'ny Fikambanan'ny So...
Mpikambana vaovao hitantana ny Fikambanan'ny Soeurs de Saint-Paul de Fribourg maneran-tany, mandritra ny 5 taona.
Mirary Alahady mahafinaritra ho antsika rehetra.

Category

Website

Address

Malaza Andoharanofotsy
Antananarivo
101
Other Media in Antananarivo (show all)
Rav-close Rav-close
Antananarivo

ASSISTANTE VIRTUELLE ( collaboratrice à distance qui permet de vous détacher de vos charges)

Flash Medias Flash Medias
Lovasoa DALLE
Antananarivo, 102

Ventes FILMS--SERIES--D.A--NOVELAS JEUX PC-PSP-ANDROID DECODAGE / FLASHAGE Télephones et tablettes

Mahery FO ny firenena Mahery FO ny firenena
Antananarivo

�In your life you have to sacrifice it's not easy�

Les meilleures amies Les meilleures amies
Talatamaty
Antananarivo

Je vous invite à aimer notre page en va faire le mieux pour vous faire plaisir

Kintan'all actu Kintan'all actu
Antananarivo

Tsara koragna

Jah Jah
Toamasin
Antananarivo, SD

Sariko Events Sariko Events
Andoharanofotsy
Antananarivo, 102

Photographe

YUM YUMM YUM YUMM
Itaosy-Cité
Antananarivo

�Vente matériel photographique. �

Tendry création Tendry création
Lot II H 84 Abis
Antananarivo

Alvin mobile Alvin mobile
Antananarivo, 101

Dj Bläck Dj Bläck
Fianarantsoa
Antananarivo

FasoRezo FasoRezo
Antaninarenina
Antananarivo, 101

Social, économie, politique, sport, faits de société, essayons de débattre de façon constructive