TORO HAY Mifameno

TORO HAY Mifameno

Orientation

02/06/2023

🇲🇬🙏Fantatrao ve : Ahoana ny fikajiana ny IRSA, hetra alaina amin'ny karaman'ny mpiasa

(Somary lavalava sy teknika fa vakiana miadana, ary misy ohatra maromaro)

Ny mpiasa rehetra na Malagasy na vahiny, na mpiasam-panjakana na mpiasa tsy miankina dia mandoa hetra amin'ny fanjakana avokoa, izay alàna any am-potony amin'ny karama. Ka ny mpampiasa no manefa izany any amin'ny sampan-draharahan'ny hetra.

Io no antsoina hoe HETRA AMIN’NY KARAMA SY NY TOA AZY na
impôt sur les revenus salariaux et assimilés na IRSA.

Tsara ho fantatra :
Ny karama faran'ny ambany dia efa feran'ny fanjakana SME, salaire minimum d'embauche.
Raha ny SME farany dia 200 000ar, izay vao nampiakarina 250 000ar, izay mbola tsy mihatra.

Ny fikajiana ny IRSA, dia alaina ny karama fototra, salaire de base, ampiana ireo vola rehetra nomena sandan'ny asa, ny avantage rehetra na vola na zavatra nomena, carburant, crédit, logement, indemnité, 13ème mois, préavis, compensations de congés, avantage en nature, heure supplémentaires, primes.

Tsy miditra anaty kajy kosa :

20 premières heures supplémentaires
indemnités de préavis de licenciement
indemnités de licenciement
dommages et intérêts pour licenciement abusif
salaires des associés gérants majoritaires soumis à l’IR
avantages en nature (cantine, frais médicaux, indemnités de transport, …)
surplus de salaire reçu à titre honorifique

Ho jerentsika aloha ary ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an'ny taona 2021, loi de finance N°2020-013 ao amin'ny andininy 01.03.16

Tsinjaraina amin'ny ampahany (tranche) ny vata-karama na ny Salaire brut :

a- Ny ampahan-karama latsaky ny 350 000ar = Tsy hakana hetra = 0%
b- Ny ampahan-karama Ar 350 001 hatramin'ny Ar 400 000 = Hakana 5%
d- Ny ampahan-karama Ar 400 001 hatramin'ny Ar 500 000 = Hakana 10%
e- Ny ampahan-karama Ar 500 001 hatramin'ny Ar 600 000 = Hakana 15%
f- Ny ampahan-karama ambonin'ny Ar 600 000 = Hakana 20%

Raha ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an'ny taona 2022, loi de finance N°2021-027 ao amin'ny andininy 01.03.16, dia nakarina Ar3000 ny hetra farany ambany tsy maintsy alaina, raha Ar2000 ny taona 2021.

Ohatra :

1- Albertine - Mpiasa an-trano:

Karama farany ambany Ar 200 000 isam-bolana
- Vata-karama : Ar 200 000

- Mandoa Ostie, anjaran'ny mpiasa 1% = Ar 2 000
Avy dia tazonin'ny mpampiasa io, izy no mandoa azy any amin'ny OSTIE, miaraka amin'ny anjarany mpampiasa 5% = Ar 10 000
- Mandoa Cnaps anjaran'ny mpiasa 1% = Ar 2 000
Avy dia tazonin'ny mpampiasa io, izy no mandoa azy any amin'ny Cnaps, miaraka amin'ny anjarany mpampiasa 13% = Ar 26 000

- Karama tataovan-ketra, salaire imposable :
Esorina ny vola anjaran'ny mpiasa omena ny OSTIE, na izay mitovy lenta amin'izay, sy ny anjaran'ny Cnaps

200 000ar - 2 000ar Ostie 1% - 2 000ar Cnaps 1% = 196 000ar.

Io karama taotaovan-ketra na Salaire imposable io izany no hitondrana ny kajy rehetra amin'ny IRSA.

Raha jerena izany ny Karama tataovan-ketran'i Albertine dia tafiditra ao amin'ny ampahan-karama (a) latsaky ny 350 000ar = 196 000ar x 0% = 0 ny hetra aloany.

Fa arak'ilay fanovana vaovao ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana dia tsy maintsy mandoa 3 000ar izy izany.

Vola karama raisina afa-karatsaka izany, salaire net
196 000ar - 3000 ar = 193 000ar.

2- Raymond - Chauffeur
Vata-karama : Ar 300 000

- Karama tataovan-ketra :
300 000ar - 3000 Ostie 1% - 3000 Cnaps 1% = 294 000ar
Mbola tafiditra anatin'ny Ampahany (a), latsaky ny 350 000ar
IRSA = 0
Hetra farany ambany aloa 3000ar
Vola karama raisina afa-karatsaka izany
294 000ar - 3000 ar = 291 000ar.

3- Denise - Employée de bureau
Vata-karama : Ar 350 000

- Karama tataovan-ketra :
350 000ar - 3500 Ostie 1% - 3500 Cnaps 1% = 343 000ar
Mbola tafiditra anatin'ny Ampahany (a), latsaky ny 350 000ar
IRSA = 0
Hetra farany ambany aloa 3000ar
Vola karama raisina afa-karatsaka izany
343 000ar - 3000 ar = 340 000ar.

4- Robert - Machiniste

Vata-karama : Ar 375 000

- Karama tataovan-ketra :
375 000ar - 3750 Ostie 1% - 3750 Cnaps 1% = 367 500ar
Tafiditra anatin'ny Ampahany (b), ny ampahan-karama Ar 350 001 hatramin'ny Ar 400 000 = Hakana 5%

Ka eto izany dia raisina tsirairay ny ampahany hakana hetra

- Ampahany (a) = latsaka ny 350 000ar x 0% = 0ar
- Ampahany (b) = (367 500ar vata-karama - 350 001ar ampahany (b)) x 5% = 17 499 ar x 5% = 174.99 dia Boriboriana 175 ar
IRSA = 175 ar
Hetra farany ambany aloa 3000ar

Vola karama raisina afa-karatsaka izany
367 500ar - 3000 ar = 364 500ar.

5- Annie - Secretaire de direction
Karama : Ar 300 000
Crédit : Ar 50 000
Logement : Ar 60 000

Vata-karama : 410 000ar

- Karama tataovan-ketra :
410 000ar - 4 100 Ostie 1% - 4 100 Cnaps 1% = 401 800ar
Tafiditra anatin'ny Ampahany (d), ny ampahan-karama Ar 400 001 hatramin'ny Ar 500 000 = Hakana 10%

Ka eto izany dia raisina tsirairay ny ampahany hakana hetra

- Ampahany (a) = latsaka ny 350 000ar x 0% = 0ar
- Ampahany (b) = ny ampahany faharoa (400 000 - 350 001) x 5% = 49 999ar x 5% = 2 499.95 = Boriboriana Ar 2 500
- Ampahany (d) = ny ampahany fahatelo (401 800ar ilay vata-karama - 400 001) x 10% = 1 799 ar x 10% = 179.90 = Boriboriana 180ar

IRSA = 0ar Ampahany (a) + 2 500ar Ampahany (b) + 180ar Ampahany (d) = 2 518ar
Hetra farany ambany aloa 3000ar

Vola karama raisina afa-karatsaka izany
401 800ar - 3000 ar = 398 800 ar.

6- Grégoire - Informaticien
Vata-karama 575 000ar

- Karama tataovan-ketra :
575 000ar - 5 750 Ostie 1% - 5 750 Cnaps 1% = 563 500ar
Tafiditra anatin'ny Ampahany (e), ny ampahan-karama Ar 500 001 hatramin'ny Ar 600 000 = Hakana 15%

Ka eto izany dia raisina tsirairay ny ampahany hakana hetra

- Ampahany (a) = latsaka ny 350 000ar x 0% = 0ar
- Ampahany (b) = ny ampahany faharoa (400 000 - 350 001) x 5% = 49 999ar x 5% = 2 499.95 = Boriboriana Ar 2 500
- Ampahany (d) = ny ampahany fahatelo (500 000- 400 001) x 10% = 99 999 x 10% = 9 999.9 = Boriboriana 10 000ar
- Ampahany (e) = ny ampahany fahaefatra (563 500ar vata-karama - 500 001ar) x 15% = 63 499 x 15% = 9 524.85ar = Boriboriana 9 525ar

IRSA = 0ar Ampahany (a) + 2 500ar Ampahany (b) + 10 000ar Ampahany (d) + 9 525 ar Ampahany (e) = 22 025ar

Vola karama raisina afa-karatsaka izany
563 500ar - 22 025 ar = 541 475 ar.

7- Meltine - Mpampianatra Lycée privée

Karama : 700 000ar
Indemnité de craie : 25 000ar
Indemnité de logement : 25 000ar

Vata-karama 750 000ar

- Karama tataovan-ketra :
750 000ar - 7500 Ostie 1% - 7500 Cnaps 1% = 735 000ar
Tafiditra anatin'ny Ampahany (f), ny ampahan-karama ambonin'ny Ar 600 000 = Hakana 20%

Ka eto izany dia raisina tsirairay ny ampahany hakana hetra

- Ampahany (a) = latsaka ny 350 000ar x 0% = 0ar
- Ampahany (b) = ny ampahany faharoa (400 000 - 350 001) x 5% = 49 999ar x 5% = 2 499.95 = Boriboriana Ar 2 500
- Ampahany (d) = ny ampahany fahatelo (500 000 - 400 001) x 10% = 99 999 x 10% = 9 999.9= 179.90 = Boriboriana 10 000ar
- Ampahany (e) = ny ampahany fahaefatra (600 000 - 500 001ar) x 15% = 99 999 x 15% = 14 999.85 = Boriboriana 15 000ar
- Amphany (f) = ny ampahany fahadimy (735 000ar vata-karama - 600 001) x 20% = 134 999ar x 20% = 26 999.8ar = Boriboriana 27 000ar

IRSA = 0ar Ampahany (a) + 2 500ar Ampahany (b) + 10 000ar Ampahany (d) + 15 000 ar Ampahany (e) + 27 000ar Ampahany (f) = 54 500ar

Eto izany ilay indemnité de craie sy indemnité de logement tonga dia lasan'ilay IRSA, nefa izy tafiditra amin'ilay ampahan-ketra ambony.

Vola karama raisina afa-karatsaka izany
735 000ar - 54 500ar = 680 500ar

8- Ferdinand - Tale jeneraly
Karama - Salaire de base 2 000 000ar
Carburant 600 000ar
Logement 500 000ar
Indemnité de répresentation : 500 000ar
Prime d'intérressement : 1 000 000ar
13ème mois : 2 000 000ar

Vata-karama : 6 600 000ar

- Karama tataovan-ketra :
6 600 000ar - 66 000 Ostie 1% - 66 000 Cnaps 1% = 6 468 000ar
Tafiditra anatin'ny Ampahany (f), ny ampahan-karama ambonin'ny Ar 600 000 = Hakana 20%

Ka eto izany dia raisina tsirairay ny ampahany hakana hetra

- Ampahany (a) = latsaka ny 350 000ar x 0% = 0ar
- Ampahany (b) = ny ampahany faharoa (400 000 - 350 001) x 5% = 49 999ar x 5% = 2 499.95 = Boriboriana Ar 2 500
- Ampahany (d) = ny ampahany fahatelo (500 000 - 400 001) x 10% = 99 999 x 10% = 9 999.9= Boriboriana 10 000ar
- Ampahany (e) = ny ampahany fahaefatra (600 000 - 500 001ar) x 15% = 99 999 x 15% = 14 999.85 = Boriboriana 15 000ar
- Amphany (f) = ny ampahany fahadimy (6 468 000ar vata-karama - 600 001) x 20% = 5 867 999 x 20% = 1 173 599.8ar = Boriboriana 1 173 600ar

IRSA = 0ar Ampahany (a) + 2 500ar Ampahany (b) + 10 000ar Ampahany (d) + 15 000 ar Ampahany (e) + 1 173 600ar Ampahany (f) = 1 201 100ar

Eto izany vaky sasaka ilay 13ème mois lasan'ny hetra.

Vola karama raisina afa-karatsaka izany
6 468 000ar - 1 201 100ar = 5 266 900ar

Ny taona 2021 (LFR 2021) dia 569.65 miliara ar ny IRSA tokony niditra tamin'ny fanjakana, ary tombanana hiakatra 113.84 miliara ariary izany ny taona 2022, ka ahazoana 683.49 miliara ariary ny IRSA na ny HETRA AMIN’NY KARAMA SY NY TOA AZY na impôt sur les revenus salariaux et assimilés na IRSA.

Raha fintinina izany, dia tafakatra 60% eo ny hetra alain'ny fanjakana, hatramin'ny 20% ny IRSA, 20% ny TVA, 30% ny hetra alaina amin'ny solika, andoavana vola avokoa manomboka ny fanamarinam-ponenana, résidence, ka hatrany amin'ny acte de notoriété sy ny enregistrement et timbre ary ny hetra-trano sy tany, ary mutation fiara, permis de conduire...

Izany hoe raha miasa 5 andro ny herinandro, dia ny 3 andro iasana an'i Fanjakana, ny alatsinainy, talata, alarobia miasa ho an'ny fanjakana, fa ny alakamisy sy zoma ihany no vola mody ho an'ny fianakaviana.

Fanontaniana mipetraka izany ny hoe, ny karama ve no tokony nampiakarina, izay ampiakatra ny vidim-piainana rehetra, ka ahavoakasika ireo tsy miasa sy tsy mikarama isam-bolana ary ireo mpiasa tena, sa ny hetra no nahena, dia nitombo ny fahefa-mividin'ny mpiasa ary nahazo tombontsoa ny rehetra tsy mpiasa mandray karama isam-bolana.

Mirary soa e.
Patrick

(Afaka jerena sy ampiasaina ny rohy ao amin'ny Foibem-pitantanana Ankapoben'ny Hetra hikajiana ny IRSA)

http://www.impots.mg/fr/simulator

gasypatriote

Photos from TORO HAY Mifameno's post 20/04/2022

HAFATRA TSOTRA SADY MAZAVA , TONGA DIA HIAINANA AVY HATRANY !

15/03/2022

NY FIKATSAHANA NY TOMBONTSOA IOMBONANA IHANY NO TSIAMBARATELON'NY FAMPANDROSOANA TENA IZY

28/02/2022

" MANDEHANA DIENY MALAINA FA REHEFA MAZOTO TSY AFAKA INTSONY "

16/02/2022

NY FIKATSAHANA NY TOMBONTSOA IOMBONANA NO ANTOKY NY FAHOMBIAZANA !

23/01/2022

ALEO MIFANOME TANANA ARAKY IZAY TRATRA MANOLOANA NY VOINA MAHAZO NY HAFA ! MAMPIRINDRA NY FIAINANA NY MANAO SOA

07/01/2022

VAHAOLANA TSOTRA !!!

14/12/2021

TENA RATSY AN!

La thaïlandaise Chamoy Thipyaso, arrêtée pour une escroquerie pyramidale qui lui rapporta ~300 millions de dollars, reçut l'une des plus longues peines de prison au monde, avec une condamnation à 141 078 ans !
Elle fut libérée au bout de 8 ans.

https://t.co/lSgUT0zHuK

30/11/2021

FAUSSE COUCHE & MOSAVY - IREO TSARA HO FANTATRA SY NY VAHAOLANA


Raha ny antontanisa amin'ny ankapobeny no jerena dia 10-30% ny vehivavy bevohoka no afa-jaza. Ny 67% amin'ireo tratran'ny fausse couche ireo dia noho ny olana ara-pahasalamana, ny ambiny kosa avy amin'ny mosavy sy ny karazana sompatra isan-karazany ary antony ara-panahy. Ka ity antony avy amin'ny mosavy ity no tena ho resahantsika androany satria betsaka ianareo no nangataka fanazavana sy vahaolana momba an'izy io.

Tsy aty Madagasikara irery ihany no misy manao ody ratsy entina manala ny zaza ao an-kibon'ny vehivavy tiana ho somparana, fa hita maneran-tany mihitsy izy io. Saingy betsaka kokoa izy aty Afrika sy any amin'ny tany Arabo.

Ireto avy ny antony mahatonga ny vehivavy ho afa-jaza.

✅ Olana ara-pahasalamana.
Saropady ny vehivavy mitondra vohoka ka aza atao ambanin-javatra mihitsy ny fandehanana any amin'ny dokotera sy ny spécialiste n'inona n'inona zavatra miseho.
Raha misy zavatra mampiahiahy dia mpitsabo aloha atonina voalohany satria raha ny tarehimarika no jerena dia 67% ny vehivavy afa-jaza dia noho ny tsy fahatomombanana ara-pahasalamana avokoa.

✅ Fanahy manaraka.
Misy hifandraisany amin'ny fanahy manambady izay efa noresahantsika teo aloha ihany izy ity. Eto dia ilay fanahy mifikitra amin'ilay vehivavy no manala ny zaza ao an-kibony. Vokany, afa-jaza matetika ilay vehivavy na dia tsy manana olana ara-pahasalamana aza. Mandeha dokotera tsy misy olana nefa afa-jaza tampoka amin'ny fotoana tsy ampoizina.

✅ Ody ratsy.
Lafika no ahafantaran'ny maro azy. Eto indray dia misy mpanao ody ratsy mametraka fanahy ao amin'ny fœtus n'ilay vehivavy kendrena ka votsotra foana ny zaza tokony hipetraka tsara. Misy indray toy ny bevohoka ilay vehivavy nefa tsy misy zaza akory fa biby na zavatra tsy fantatra ny ao anaty kibony noho ilay ody ratsy.

☑️ Ireto matetika ny fambara ahafantarana mialoha fa ody ratsy ilay izy.
Lasa kamokamo, manofy ratsy matetika, manofy mitsangana, mihomehy nefa matory, tsy mahafehy fihetsehampo (depression, troubles anxieux), mikorotan-tsaina, mahatsapa matahotra nefa tsy fantatra mazava ny antony, misy mibitsika ao an-tsofina nefa tsy misy olona eo akaikinao, marary valahana sy lamosina, misy faritra mangana na faritra mena amin'ny vatana nefa tsy voadona sady tsy lanin'ny biby, lasa miady lava ny mpivady, maina tsy dia misy rora ny vava, etc ...

Vahaolana karazany 4 no atolotray anareo androany dia misafidy iray amin'ireo ianareo.

🔴 Misy ny "SANDALPHON CANDLE KIT" izay azonareo vidiana ahafahana miaro ny zaza ao an-kibo, sady fiarovantena no ahafahana mamono ny herin'ny ody ratsy ihany koa. Ho alefa eto amin'ny page Vahaolana Ho Anao tsy ho ela ihany ny détails momba an'izy io fa raha mahaliana anao dia afaka manao commande ao amin'ny MP sahady ianao (Prix: 50.000ar)

🔴 Maka boule vita amin'ny vato clear quartz na moonstone dia arotsaka anaty bol misy rano. Avy eo rarahana pétales de roses fotsy ao anatin'ilay rano. Rehefa vita izay dia atsoboka ao anaty rano ny tanana roa sady fihinana ilay boule. Dia manaova vavaka, na affirmation, na invocation miaro ny zaza ao an-kibo mba tsy ho azon'ny fanahy ratsy.
Akimpy ny maso dia manaova visualisation lumière blanche manodidina ny kibo. Isaky ny diavolana no manao an'io rituel io ary atao 3 andro misesy isaky ny manao (Manomboka eo amin'ny pleine lune foana no manisa ny 1e jour)
Ilay boule ataonao eo akaikin'ny fandriana fatoriana mandra piteraka soa aman-tsara. Ny ambina rano ariana eny ambodihazo.

🔴 Maka rano amin'ny vera lehibe (Eau vive), asiana tantely 1 sotrokely.
Ataovy ity mantra ity averina 108.
"Pumansam Patram Janey Tam Pumananu Jayatam Bhagvati Rajarjeshwari Putranam Mata Jatanam Jamyashyam Yan"
Rehefa vita izay dia arotsaka anaty rano androana io rano amin'ny vera io.
Atao isa-marina mandritra ny 21 andro, ka tsinambolana no anombohana azy.

🔴 Misy koa ireo mpitsabo gasy manana fanomezam-pahasoavana manokana afaka manala ody ratsy. Azonareo atao no tonga dia manatona an'izy ireny.
Betsaka ny gasy tena mahay any ambanivohitra any.

Dia mirary fahasalamana sy fiainana feno fifaliana ho anareo rehetra indray.

01/06/2021

FAHENDRENA NY MANDINIKA TSARA VAO MANAO ZAVATRA IRAY . TSY NY FOTOANA NO OLANA FA NY VOKATRA HATERANY NO MILA FITANDREMANA ( CAS GENERAL)

25/05/2021

Misy tantarany sy fototra ny zava-drehetra , zava-dehibe ny hafantarana izany tsy ho tonga amin'ny fanaovanaovam-poana sy hifototra amin'ny tena ny voka-dratsiny!

Website