ROFIA TV - Ofisialy
Rohin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa An-tsary(ROFIA TV)
🛑Fiaraha-miasa eo amin’ny Oniversiten'i Fianarantsoa sy ny faritra Matsiatra Ambony, amin’ny lafiny nomerika sy ny haivao:
Nosoniavina androany alarobia 22 novambra 2023 teny amin'ny lapan'ny faritra ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny roa tonta ho fanatanterahana ny tetik’asa Madatlas eto amin’ny Oniversite, programa PEA, vatsian’ny AFD vola mandritran’ny 4 taona.
⭕⭕ Fisokafan'ireo formations délocalisées EMIT sy ISST ao Ihosy, kaominina Ambia, faritra Ihorombe, izay tafiditra ao anatin'ny vina fananganana ny Oniversiten'Ihorombe:
🔐Nosoniavina ny zoma 17 Novambra teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa sy ny faritra Ihorombe.
"Université de Fianarantsoa ensemble pour une Université d'Excellence et d'Innovation ".
📌📖Hamaha ny fahasahiranan'ny mpianatra sy mpampianatra mpikaroka amin'ny fitadiavana antotan-kevitra, ny fametrahana ny rantsan'ny CIDST na ny centre d'information et de documentation technique eto amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa.
-Misokatra ho an'ny rehetra manomboka amin'ity herianandro ity.
"Ensemble pour une Université d'Excellence et d'Innovation".
📌Notokanana ny Alarobia 15 novambra lasa teo ny "Pompe Solaire" eny amin'ny E-Atiala Andrainjato. Fotodrafitr'asa hisitrahan'ny mpianatry ny Oniversiten'i Fianarantsoa rano fisotro madio. Mandeha amin'ny herin'ny masoandro.
-Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny Oniversite, ny fikambanana FianaraLab, ny GCIUS ( Groupe de Coopération Internationale de l'Université de Sherbrooke), ny OPEN, ny orinasa MYLIM’S.
🔰Centre des Ressources pour l'Enseignement du Francais - Formation PIX-Université de Fianarantsoa🔰
🔰Formation PIX, Fampiofanana hampitomboana taraikefa amin'ny sehatry ny nomerika, afaka sitrahan'ny rehetra, indrindra ny mpianatra eto amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa.
👉Manana ny CREF na Centre des Ressources pour l'Enseignement du Francais na fanaovana fanadinana ahazoana certificat PIX ny Oniversiten'i Fianarantsoa ho an'izay mahafeno fepetra.
📌Ecole Doctorale Gouvernance et Societé en Mutation-Université de Fianarantsoa
👉Nifarana ny 30 Septembre lasa teo ny fisoratana anarana mialoha hoan'ireo mpianatra hanohy fianarana sy fikarohana ahazoana ny diplaoma Doctorat.
👉Ao anatin'ny sivana mialohan'ny handraisana tanteraka ireo mpianatra voafantina hanohy izany asa fikarohana izany ny tompon'andraikitra hoan'ny taom-pianarana vaovao.
📌 "Centre d'Appui à l'Employabilité des Etudiants (CA2E)":
👉Ivotoerana iray eto amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa, natao hanampiana ny mpianatra amin'ny fampananan'asa sy famoronana asa. Ho fantaritsika ato anatin'ity horonan-tsary ity ny andraikitra sahaniny sy ireo karazana tolotra ireo.
👉Araho hatrany ny pejy ROFIA TV fa eto no hizarana sy hampahafantarana antsika ireo servisy, ivotoerana, ary sampam-pianarana rehetra misy ety amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa.
🔰ECOLE D'ETE PV FIANAR 2023🔰
-Fampiofanana mpianatra 40 mianadahy eto amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa; amin'ny lafiny angovo azo havaozina. Fiofanana izay naharitra dimy andro; ny 30 oktobra hatramin'ny 4 Novambra teo.
🛑CLUBS DES ÉTUDIANTS -CA2E:
-Hisokatra eto amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa , ao amin'ny CA2E ny clubs des étudiants toy ny: Club des langues, club Start-up, Club Call center, Club d'entrepreneuriat...
-Natao hanamorana ny fitadiavan'asa.
-Ny Alatsinainy izao no handraisana antsika izay vonona, izay maimaimpoana.
📌 École Doctorale Thématique Gouvernance et Société en Mutation - Université de Fianarantsoa:
📌Nahazo ny diplôme Habilitation à Diriger des Recherches (HDR) androany 3 novambra i Dr HDR RABEMANANJARA Vololonirina Alisambatra, Sojaben'ny Fakiolten'ny DEGSS, raha nahavita ny fanohanan-keviny momba ny "sciences de gestion "ny maraina teo.
Niampy iray indray araka izany ny mpampianatra eto amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa nahazo izany diplôme hiakarana amin'ny grade maha Profesora izany.
"Université de Fianarantsoa, ensemble pour une Université d'excellence et d'innovation".
📌Café RANOSOA, Sehatra ifanakalozan'ireo mpianatra ety amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa sy ireo mpianatra avy any amin'ny Oniversiten'i Cherbrooke,Canada, isaky ny Zoma tolakandro.
Mivelatra amin'ny lafiny rehetra ny fifanakalozana eo amin'izy ireo, izay maimaimpoana.
🎯Fiaraha-miasan'i Oniversiten'i Fianarantsoa sy ny Oniversite Sherbrooke any Canada ary ny fikambanana Fianarlab ; mandroso ny asa fananganana "Pompe solaire" eny amin'ny e-Atiala, hitsinjovana ny mpianatra ety amin'ny Cité @ olan'ny tsy fahampian-drano.
🎯 Tetik'asa hiaraha-miasa aorian'izao ny hananganana ny "centre d'excellence pour l' employabilité des étudiants ety amin'ny Oniversite, eo @ lafiny angovo azo havaozina.
"Université de Fianarantsoa, ensemble pour une Université d'excellence et d'innovation".🥇🏆
🎯 HACK-IT ANDIANY VOALOHANY-FIANARANTSOA:
-Fifaninana ara-informatika, "Hack-IT" na Hackatons pour les Informaticiens:
-Nandraisan'ireo sampam-pianarana misehatra amin'ny tontolon'ny informatika eto Fianarantsoa anjara.
-Tanjona ny hampiraisana hina ireo mpianatra misehatra amin'izany, ny hanandratana avo ny fahaiza-manaontsika eto Fianarantsoa amin'ny lafiny teknolojia, ary hampisehoana fa eto no ivon'ny nomerika,izay mamokatra enjeniera maro.
🥇 JOURNÉE DE SOLIDARITÉ - UNIVERSITÉ DE FIANARANTSOA 🏆
-Vavaka iraisam-pinoana nanamafisana fiombonana no nisantarana ny maraîna. Nitohy tamin'ny hetsika maro sy nofo-kena mitam-pihavanana sy fialamboly samihafa.
-Natao izao hetsika izao ho fanamafisana indray ny firaisan-kinan'ireo mpisehatra.
Journée de Solidarité:
📌Ankalazaina eto amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa mandritra ny roa andro; Alakamisy 26 sy Zoma 27 Oktobra. Tanjona ny ho fanamafisana firaisan-kinan'ireo toko telo mahamasa-nahandro ety amin'ny Université de Fianarantsoa Andrainjato .
Nomarihina tamin'ny alalan'ny fanadiovana lehibe ny andro voalohany, nifanindran-dalana tamin'izany ny lalao ara-panatanjahatena narahana Fanentanana , Zumba , sy fizaràna fitaovam-pianarana avy @ Fikambanana ACASIA , ho an'ny zanaky ny mpandraharaha.
📌Rindran-kira ara-pilazantsara niarahan'ireo antokom-pihira avy amin'ireo sampam-pianarana ety Kosa no nanohizana ny tolakandro.
"Journée de Solidarité" 26-27 Octobre ety amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa Andrainjato.
Hetsika maro no entina hanamarihana izany iarahana amin'ireo Toko Telo maha-masa nahandro ety amin'ny Université de Fianarantsoa Andrainjato sy ireo Mpiara-miombonan'antoka rehetra.
Magnenga antsika aby eeee🙏🙏🙏🙏
📌 Fiaraha-miasan'ny Oniversiten'i Fianarantsoa amin'ny sehatra miankina na tsy miankina @ Fanjakana ahafahana manatanteraka tetik'asam-papandrosoana :
-Nitsidika teny amin'ny manodidina ny faritry ny Oniversite ny avy ao amin'ny programme Eaurizon sy ny tompon'andraikitra avy amin'ny Métropole de Lyon , notarihin'ny Filohan'ny Oniversite, nijery mivantana ny teny amin'ny trano fonenan'ny mpianatra, hahafahana mamaha ny olana iainan'ny mpianatra amin'ny famatsian-drano, trano fidiovana sy ny fivoahana.
-Efa niara-niasa teo amin'ny lafiny fikarohana momba ny rano ny roa tonta an-taonany maro , ka nitatra izany tao aorian'ny fitsidihana amin'ny fitadiavana mpiara-miasa ho afaka hamatsy vola , sy fanatsarana ny fari-piainan'ny mpianatry ny Oniversiten'i Fianarantsoa monina eny amin'ny cité universitaire amin'ny famatsiana rano fisotro madio, fidiovana sy fanadiovana ho azy ireo.
📌Tetik'asa TANORA CIVICS :
-Notolorana mari-pankasitrahana Ireo tanora mpitarika 23 isa, niofana momba ny Hay tarika sy fandrafetana Tetik'asa mahomby. Fiofanana naharitra dimy andro, tao amin'ny D'Appui à l'Employabilité des Étudiants, izay nifarana ny Alatsinainy 16 oktobra lasa teo.
📌 FACULTÉ DES LETTRES ET SCIENCES HUMAINES :
-Mitohy hatramin'ny zoma 20 oktobra 2023 izao ny fandraisana antota-tararasy hidirana ho taona voalohany ao amin'ny Faculté des Lettres et Sciences Humaines eto amin'ny Oniversiten'i Fianrantsoa, ho an'ireo Mentions ao aminy (LACI, HA, GÉOGRAPHIE). Tahaka izany koa ny Parcours vaovao ANGLAIS
Tetik'asa TANORA CIVICS:
-Atrik'asa fanamafisana ny fahaiza-mitarik'ireo tanora Mpianatra 25 ety amin'ny anjerimanontolo, sy ny fahaizana mampahafantatra ny tetikasan'izy ireo.
-Tanora mpitarika 25 avy amin’ny sampam-pampianarana misy eto oniversiten’i Fianarantsoa, sy avy amin’ny fikambanana samihafa no voafantina misitraka ity fiofanana ity mandritra ny dimy andro (11-16 oktobra), ao amin’ny CA2E (Centre d’Appui à l’Employabilité des Étudiants) Andrainjato.
-Mpampiofana mandritra izany: Dr Brandy Walker , avy ao @ J.W. Fanning Institute for Leadership Development) sy Dr Kristi Farner , avy ao amin’ny Cooperative Extension, Samy avy ao amin'ny Université de Georgia U.S.A.
-Fiarahamiasan’i Oniversiten'i Fianarantsoa, ny fikambanana Tea and Talk, tamin'ny alalan'ny Kimmerling Razafindrina izay nisitraka ny fiofanana Mandela Washington Fellowship tamin’ny 2022, sy ny Oniversiten'i Georgia any Etats-Unis.
-Efa nisy koa ny dinika nifanakalozana teo amin’ireo mpampiofana avy any amin’ny Oniversten’i Georgia sy ny Filohan'ny Oniversiten'i Fianarantsoa Pr HAJALALAINA Aimé Richard , hijerena ny tohin'ny fiaraha-miasa eo amin'ny lafiny fitantanana sy ny fandraharahana eto anivon’ny Oniversiten’ny Fianarantsoa (bonne gouvernance)
Fiarahamiasan'ny @ any ivelany; ny latsinainy 9 Oktobra teo ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasan'ny Oniversiten'i Fianarantsoa sy ny Oniversiten'i Hochschule Düsseldorf any Allemagne; eo @ sehatry ny angovo azo havaozina: izay azahoan'ny roa tonta famatsia-mbola avy @ Programme ERASMUS PLUS ny fanatanterahana ny tetik'asa.
Tafiditra ao anatin'ny vinam-papandrosoana voalohany, faharoa ary fahaenina itondrana ny Oniversiten'i Fianarantsoa izao hoy ny filohan'ny Oniversitene Pr HAJALALAINA Aimé Richard, ka tombony manokana ho an'ny Oniversiten'i Fianarantsoa izany.
Festival volambita andiany voalohany ; roa andro ny lanonam-pankalazana teto @ renivohim-paritry Matsiatra Ambony, ny 29 sy 30 septembre lasa teo izany.
Atrik'asa ara-pedagojika ho an'ny mpampianatry ny anjery manontolo , niarahana tamin'ny ekipa avy amin'ny Projet de formation du partie Sud de certificat en pedagogie Universitaire. Anjaran'ny Oniversiten'i Fianarantsoa omaly 5 oktobra ,tao @ pôle de recherche
Atrik'asa ho fanamafisana ny fahaiza-mampianatra, ilaina amin'ny fahaiza-manao sy ny fomba entina mampianatra.
Mpampianatra miisa 9 mianadahy eto amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa no nakarina ho amin'ny laharam-boninahitra Professeurs titulaires:
Pr RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo
Pr RASOAMALALAVAO Claire
Pr SOLANGE Ruphin
Pr Rakotoarivelo Rivonirina Andry
Pr Andriamampionona Tsitohery Francine
Pr Razafimahefa Soloniaina Helio
Pr Rakotoson Joelson
Pr Ratsimbasoa Claude Arsene
Pr Andrianantenaina Marcelin
ny alatsinainy 2 oktobra lasa teo ny lanonana nametrahana ofisialy ny salotr'hasin'izy ireo (épitoges).
Ny tale jeneralin'ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Pr Rajoelison Jean Francois no nitarika ny lanonana teny amin'ny Kianjan'ny serasera sy LMD.
Nitondra fisaorana ho an'ny fitondram-panjakana sy ny avy amin'ny MESUPRES ny Filohan 'ny Oniversiten'i Fianarantsoa Dr HDR Hajalalaina Aimé Richard noho izao ezaka izao sy amin'ny fanandratana ny hasin'ny fampianarana.
Global Tech Summit- GOAVAN'IT eto amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa.
Nosokafana ofisialy ny Alakamisy 28 Septambra ary hifarana ny 01 Oktobra izao .
☑️Hetsika izay Karakarain'ny École Nationale d'Informatique sy ny École de Management et d'Innovation Technologique, ary ny Orinasa Akata Goavana.
☑️Natao izao mba hanehoana sy hanamafisana hatrany fa i Fianarantsoa no ivon'ny nomerika.
Tafiditra ihany koa ao anatin'ny fankalazana ny faha40 taonan'ny ENI, sy ny faha3 taonan'ny AKATA GOAVANA izao hetsika izao.
☑️Nifanindran-dalana tamin'izany ny fanoloran'ny Oniversiten'i Fianarantsoa ny marim-pankahasitrahana Honoris Causa an'i Pr RAMORASATA RAZANAKOLONA Elie Ethienne izay angady nananana sy vy nahitana t@ famolavolana sy fananganana ny École Nationale d'informatique eto amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa
☑️Hisokatra amin'ity taom-pianarana ity ihany koa no ny Mention intelligence artificielle ao amin'ny ENI.
🙏Manasa anao hanaraka ity Horonantsary ity izay mamelabelatra misimisy kokoa ireo rehetra ireo🙏
Eh ! Mbola mitohy ny fandraisana ny antontan-taratasy hidirana L1 ao @ ENS Fianarantsoa, ary mifarana @ 29 septembre 2023 izany
Arahinao ato anatin'ity horonantsary fohy ity ny tsara ho Fantatra mahakasika izany
👉Fampahafantarana fohy mahakasika ity Oniversite mamintsika ity 🤩
Ny Oniversiten'i Fianarantsoa; 45 taona izao, izany hoe niorina tamin'ny taona 1977.
Andao anie ho fantaritsika ato anatin'ity horonan-tsary fohy ity ny momba azy:
-Ny tantarany, ireo mpitondra nifandimby, ireo vina 7 entin'ny mpitondra ankehitriny hampandrosoana azy, ireo sampam-pianarana sy ny lalam-pihofanana miorina eto anivon'ny Oniversiten'i Fianarantsoa sy ny fotodrafitr'asa ary ireo tsara ho fantatra rehetra
👉Fampahafantarana fohy mahakasika ity Oniversite mamintsika ity 🤩
Manasa anao hanaraka tsy tapaka ny pejy fa ampahafatarina eto ireo tsara ho fantatra rehetra eto amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa.
Université de Fianarantsoa "Ensemble pour une Université d'Excellence et d'Innovation".
Manaraha finaritra ary o!
Hello les jeunes!!!
🤩La famille de l'Association des Cadres pour l'Appui Social: Initiative-Action est ravie de vous inviter à notre prochaine Conférence d'Orientation et de Partage, qui se tiendra le 27 Septembre 2023 à 14h à l'Amphithéâtre de la Région Haute Matsiatra.
✍️Save the date
📌Venez nombreux, c'est gratuiiiiiit 😍
Mifamaofaho ny fandikana ny andininy faha 46 sy 52 ao anatiny Lalampanorenana Malagasy⚖
✅ Inona no tena andraikitry ny Fitsarana avo mombany lalam-panorenana (HCC) ao anaty ny raraham-pifidianana ?
Valiny? 🤔
Mahafaly anay ato aminy sampana Lalàna Fianarantsoa izay tarihiny ireo Juriste Publiciste ny manasa antsika rehetra mpianatra, mpitondra, mpanao politika, ireo candidat ho tonga hanatrika ny Famelabelaran- kevitra arahina adi-hevitra ny Asabotsy faha 23 Septambra ho avy izao sasany tolakandro ao aminy Salle A7 ( ambadikiny Cathedrale) Andrainjato. 🏛
Panneliste:
👉 Mpampianatra sy mpianatra mpikaroka ato @ mention Droit.
👉 Misy ihany koa Magistrat izay efa mpikambana tao aminy Cour Electoral Special.
NB: Analyse purement juridique no atao fa tsy misy idirany politique.
Avis de Concours et Selection de Dossier ISTE de l 'Université de Fianarantsoa.
📌05 𝐛𝐨𝐮𝐫𝐬𝐞𝐬 𝐝'é𝐭𝐮𝐝𝐞𝐬 𝐚𝐮 𝐩𝐫𝐨𝐟𝐢𝐭 𝐝𝐞𝐬 é𝐭𝐮𝐝𝐢𝐚𝐧𝐭𝐬 𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲, 𝐚𝐮 𝐭𝐢𝐭𝐫𝐞 𝐝𝐞 𝐥'𝐚𝐧𝐧é𝐞 2022-2023, 𝐀𝐥𝐠é𝐫𝐢𝐞.👩🎓👨🎓
L'Algérie a octroyé cinq bourses d'études aux étudiants malagasy pour l'année universitaire 2022-2023.
👉 Pour en savoir plus sur les modalités de candidature et les conditions requises pour ces bourses, veuillez consulter l'image ci-dessous.
Source: MESUPRES
Sélection de dossiers ISST de l'Université de Fianarantsoa.
FACULTE DEGSS UNIVERSITE DE FIANARANTSOA.
--------TEST DE NIVEAU------
Dépôt des dossiers: 17 Août jusqu’au 30 Septembre 😉
Les dossiers nécessaires sont déjà inscrits dessus.
#20232024
Avis de Concours avec les pièces à fournir pour participer au concours d'entrée en première Année de Licence à l'EMIT de l'Université de Fianarantsoa.
AVIS DE CONCOURS E.N.I 2023-2024
"Intégrer l'école ingénieuse, pépinière des élites informaticiennes".
SiteWeb: www.concours.eni.mg
Miarahaba ireo rehetra afaka tamin'iny Fanadinam-panjakana Bakalorea 2023 iny ary mankahery ireo izay tsy nahomby ihany koa ny Oniversiten'i Fianarantsoa sy ny ekipan'ny Fitaleavan'ny Serasera eto anivon'ny Oniversiten'i Fianarantsoa
Eo foana ny ROFIA TV-Ofisialy namanareo 🙏
RESULTAT BACC 2023 FIANARANTSOA Serie A2 FIANARANTSOA
Partie 3
RESULTAT BACC 2023 FIANARANTSOA Serie D FIANARANTSOA