Traiteur Capitou

Traiteur Capitou

traiteur événementiel,mariages, fiançailles, activités d'églises,banquets, séminaires,VISITEZPapi Capitou sakaf dans FB

29/09/2024

TSY EFA KILALAO NILAOZAN'NY TOETR'ANDRO VE ITY ANKIAFINA ATAON'NY JIRAMA ITY E, SA TIANY HAVERINA FOTSINY

29/09/2024

TENA MAHAZO MIARAKA SOA NY SCULPTURE DE FRUITS SY NY COCKTAILS NA BUFFETS

Photos from Traiteur Capitou's post 29/09/2024

des couleurs impressionnantes

08/07/2024

ASABOTSY, HO AN'IZAY TSY AFAKA ANDAVANANDRO

FIOFANANA HO AN’NY SARANGAN'OLONA REHETRA
FIANARANA MOMBAN’NY SAUCES DE BASE na koa SCULPTURE SUR FRUITS ET LEGUMES
HIARAHANAO AMIN’I CHEF CAPITOU SY CHEF LIVA
Hiantohan’ny sekoly ny akora ilaina rehetra
SARAM-PIOFANANA: 40 000ariary isan taranja
Daty: ASABOTSY 13 JOLAY 2024
Toerana: COUM 67ha akaikin’ny AUTO ECOLE ARMI
Ora fidirana: 8 ora hatramin’ny 5ora
(mitondra sakafo na misakafo ivelan’ny sekoly ny atoandro)
ZAVATRA HIANARANA
Les sauces de base
7) Les sauces à base de vinaigre
8) Les sauces à base de la mayonnaise
9) Les sauces à base de la crèmerie
10) Les sauces sucrées (crème anglaise-crème pâtissière- crème chocó-crème chantilly)
11) Les sauces à base de fruits
12) Quelques notions sur les sauces pour les plats principaux
Zavatra hoentina :
Tablier sy blouse- chiffon

EFA MIHABETSAKA INDRAY NO LIANA AMIN’NY DEOCRATION TABLES

SAFIDY SCULPTURE SUR FRUITS ET LEGUMES MIARAKA AMIN’I CHEF LIVA
Ahaizanao manao décoration Buffets na cocktails amin’ireny lanonana maro samihafa ireny, azonao
Zavatra hianarana
1) Manoratra ambonin’ny voankazo
2) Manao kisarisary maromaro amin’ny voankazo
3) Fianarana manao Panier amin’ny pastèque
4) Fanaingoana latabatra amin’ny lanonana amin’ny alalan’ny voankazo ary azo ampivadiana amin’ny voninkazo tsara
Amin’ny fotoana fisoratana anarana dia mandrotsaka 30 000ariary ary efa ao anatin’ny saram-piofanana izay
RAHA MILA FANAMPIM-PANAZAVANA IANAO dia miantsoa ny 0341142414 na 0340493041 (maman'iAndo) afaka miditra MP tsara mihitsy koa

19/06/2024

VOAFETRA NY TOERANA AMI'IREO TOLOTRA FAMPIOFANANA IREO ZAREO A, FANTARO FA EFA MIEZAKA MANATONA ANAREO HATRANY IZAHAY F'ARARAOTY

19/06/2024

VAKANSY NY ANDRO
ZARO DIENY IZAO NY ZANAKAO MBA AHAY MIKARAKARA NAHANDRO
Izahay dia manolotra fampiofanana ho an’ny tanora 10 taona ka hatramin’ny 16 taona
Hiantohan’ny sekoly ny akora ilaina rehetra
SARAM-PIOFANANA: 50 000ariary isam-piofanana
Daty: ALATSINAINY (LUNDI) 8 sy TALATA (MARDI) 9 jolay 2024
Toerana: COUM 67ha akaikin’ny AUTO ECOLE ARMI
Ora fidirana: 8 ora hatramin’ny 12ora
ZAVATRA HIANARANA:
1) Pizza
2) Cookies
3) Pate Génoise
4) Pate à choux
5) Pate levee feuilletée
6) Pate brisée
7) Pate feuilletée
8) Pate sablée
9) Cakes sucrés et cakes salés
10) Pain hambourger
11) Pate fraiche
12) Crème Chantilly
13) Crème patissière
14) Crème au chocolat

DATY: 10 jolay 2024
ORA: 8 ora hatramin’ny 5 ora hariva (mitondra sakafo atoandro)
Les sauces de base
1) Les sauces à base de vinaigre
2) Les sauces à base de la mayonnaise
3) Les sauces à base de la crèmerie
4) Les sauces sucrées (crème anglaise-crème pâtissière- crème chocó-crème chantilly)
5) Les sauces à base de fruits
6) Quelques notions sur les sauces pour les plats principaux
Zavatra hoentina :
Tablier sy blouse- chiffon –petite boite
TSY MAHAZO MITONDRA ZAVATRA SARO-BIDY NA MANOME FAKAM-PANAHY

Photos from Traiteur Capitou's post 16/05/2024

FORMATION SPÉCIALE SAUCES DE BASE ET SCULPTURE SUR FRUITS ET LEGUMES LE 30 MAI 2024 A AMBOHIMANDROSO AMBOHITRIMANJAKA, FRAIS DE COURS 50 000ARIARY, DE 8heures30 à 16heures, ingrédients et déjeuner y compris.
* les sauces pour les légumes crus et cuits
* les sauces pour les entrées chaudes (viandes, fruits de mer, volailles,légumes, pâtes et gâteaux)
*les sauces pour tout plat principale
* les sauces sucrées
A base de crèmeries
A base de chocolats
A base de caramels
A base de fruits
Place limité inscription obligatoire,
Renseignements sur MP ou contacter le 0341142414

16/05/2024

RAHA TE HAMPANDROSO NY GARGOTE NA MINI RESTO, ENY FA NA DIA NY NAHANDRO AO AN-TRANO AZA DIA TSARA FOANA NY MIANATRA MANAO LASAOSY ; AMIN'NY 30 MAI IZAO IZAHAY DIA MAMPIOFANA INDRAY K'AZA MISALASALA MANDEFA HAFATRA MIAFINA NA MIANTSO NY 0341142414, VOAFETRA IHANY NY TOERANA

22/03/2024

mihabetsaka ny zaza very, tena misy ve sa sinema araka ny fihevitry ny hafa? tsy ahenon-teny ny mpitandro ny filaminana.

Photos from Traiteur Capitou's post 14/03/2024

Mandeha moramora ny commandent n'i Zandry ato

14/03/2024

Be menomenona eo a! Efa 1 mois zay no efa nanomboka ny fanaovana mis à jour,efa hoe aza zatra mangatak'andro io

Photos from Traiteur Capitou's post 01/03/2024

PAO amin’ny nofon’akoho
• Atolotr’I Chef Capitou
• Akora ilaina: ho an’ny paty
• Lafarina : 500g
• Sira : 1 tsongo
• Siramamy : 2 sotrokely
• Dipoavatra voatoto: izay mety aminao
• Menaka: 40g
• Leviora fanaovana m**o: 3 sotrokely
• Rano matimaty: 250ml
• Vinaingitra fotsy: 1 sotro fihinanana
• Temps de pose: na fandomana: 2ora
Akora ilaina ho an’ny sesika
• Nofon’akoho : 300g
• Tapotsin’atody : 1
• Nofon-kisoa : 100g ( tsy voatery)
• Sauce d’huitre: 1 sotro fihinanana
• Sauce soja: 1 sotro fihinanana
• Paprika tsy masiaka
• Menaka: 3 sotro tsy feno be
• Olatra mainty: izay tianao fa tsy dia betsaka
• Tahona Céléri: 300ariary
• Tongolgasy sy sakamalaho voatoto: ½ sotrokely
Fomba fanaovana azy
NY PATY
1. Lomana anaty vera misy rano matimaty kely ny leviora boulanger
2. Atao anaty lovia jobo lehibe ny lafarina, sira 1 mitsongo, siramamy, dipoavatra voatoto, ny menaka dia afangaro tsara
3. Arotsaka amin’izay ny leviora dia arahin’ny rano matimaty tsikelikely nasiana vinaingitra fotsy, afangaro tsara amin’izay mandra-pahazo paty tsy manara tanàna (kendrena tsy ho be rano loatra na tsy ampy rano ihany koa) fa paty malefaka no tadiavina
4. Averina anatin’ilay lovia jobo indray ny paty rehefa avy nato toy ny baolina mba hiasa ny leviora mandritran’ny adin’ny 2 ary saromana lamba dia apetraka amin’ny toerana mafana mba hitombo
5. Mandritran’izay:
• Endandasina anaty lapoaly ny nofon’akoho sy ny nofon-kisoa efa voatetika madinika kely mba ahazo fahamasahana
• Asiana lasaosy saoja sy sauce d’huitre (tokony ho 1 sotro avy), paprika, alefa ao koa ny holtra mainty rehefa avy nolomana, arorona matetika dia alefa indray ny seleri voatetika madinika, asiana tongolo gasy sy sakamalaho voatoto amin’izay ahazo fofona sy tsiro, dia avela hangatsiaka
6. Avoaka ny paty dia potsipotserina amin’ny totohondry mba hiala ny rivotra, volavolaina kely dia atao maka hendrika boribory indray, mba tsy hanahirana ny fangalana hendrika boribory dia tsara raha atao somary lavalava indray ny paty toy ireny petit pain ireny fa lavabe fotsiny
7. Tetehina mitovy mba ahazahoana hendrika boribory tsara rehefa fisahana tokony hitovy habe amin’ireny vera fisotroana rano ireny na sotasy
8. Apetraka ny sesika akoho dia akatona tsikelikely ny paty, apetraka ambony taratasy fotsy madio dia ilay fikatonany no ambony,
9. Rehefa vita daholo dia alahatra anaty vilany fanaovana masak’evoka (cuisson à la vapeur) tsikelikely, AVELA HIPETRAKA 30MN indray vao handrahoina ambony rano mangotraka mandritran’ny 10mn
Marihina fa efa azo homanina daholo ny paty ho voasesika sady avela hipetraka mandritran’ny 30mn
Mazotoa mampihatra

Photos from Traiteur Capitou's post 01/03/2024

PAO amin’ny nofon’akoho na BAHN BAO NA BRIOCHE CHINOISE
• Atolotr’I CHEF CAPITOU

Rougail saucisse
Atolotr’i Chef Capitou ho an’olona 6
Akora ilaina
Saosisy nasaly : 500g saucisse fumée
Menaka : ½ vera
Tongolobe voatetika :250g
Tongologasy voatoto: 1 sotrokely
Voatabia voatetika : 250g
Sakay maitso lavalava: fa tsy ilay pilo akory: 2 singany
Sakay tsilanindimilahy maitso:1
Sira sy poavra
Carry: 1 sotrokely
Curcuma: ½ sotrokely
Dità: tahony iray

Fomba fanaovana azy
1) Endandaso aloha ny saosisy ho mendimendy dia atokany rehefa mendy
2) Amin’ilay lapoaly teo ihany asiana menaka kely dia endandasina indray ny tongolobe voatetika sy ny tongologasy voatoto mba ahazo loko
3) Endandasina indray ny voatabia voatetika, ny sakay lavalava voatetika, ary ny sakay tsilanindimilahy maitso TSY TETEHINA
4) Asiana sira sy dipoavatra ary carry ary curcuma, apetraka eo ambonin’izy ireo ny dità tsy volosana fa miaraka amin’ny tahony mba angalana fofony kely fotsiny, tampohy rano sahabo 1 vera
5) Tetehina boribory madinika ny saosisy dia arotsaka ao anatin’ilay lasaosy nomanina teo, avelao hiketrika kely mandra-paharitrany
Arosoy miaraka amin’ny vary ampangoro dia arosoy

22/02/2024

Manaporofo izao fa tsy miantsena ny mpitondra fa maniraka fotsiny ka tsy mahatsapa fa miakatra ny fiakarana

21/02/2024

papaye androany 12 000ariary hifampitadiavana
carotte:5000ariary ny Kg
haricot vert: 5000 ariary ny kg

17/02/2024

IZAO A AZA MAIKA NY HANAINGA ZIPO FA HIFANARAHO TSARA NY AMPITSO,SEPITSO RO MAGNEGNINA

11/02/2024

Zavatra roa samihafa ny atao hoe cours de cuisine, sy ny SERVICE TRAITEUR tsy vitan'ny fahaizana mahandro fa misy dingana tsy traikefa amin'ny fitantanana tsy maintsy arahina, fa mijanona ho CUISINIER raha sakafo fotsiny, koa aza mora fitahina fa misy responsabilité raisina ny asan'ny SERVICE TRAITEUR ary mila fiofanana manaraka izany, fa tsy rehefa mahay mahandro dia hoe TRAITEUR

10/02/2024

Ry vehivavy aza fotsy varavarana, aza tia mamaofy voanjobory, aza lany andro mitatasiaka,fadio ny mifosafosa

09/02/2024

inona moa no atao hoe HACCP izay takiana amin'ny Restaurant sy amin'ny Service traiteur amin'izao?
Inona no lesoka tsy mampandroso nyrestaurant sy ny traiteur amin'izao?
Inona no vaha-olana aroso ho entina ampandroso izany?
AO ANATIN'NY FIOFANANA NY 12 FEVRIER HATRAMIN'NY 7 FEVRIER NO TOMBONY HO AZON4IREO IZAY HIOFANA

08/02/2024

Mampatsiahy hatrany fa @ 8ora tsika manomboka, dia fotoana izao hanamafisana fa vonona ianao ka hoavy hanomanana sakafo

06/02/2024

ILAZAKO IANAREO NISORATRA ANARANA AMIN'NY FORMATION SERVICE TRAITEUR HITONDRA TABLIER, CALOT, BOITE, SY CHIFFON FA MISY EMPORTER E

03/02/2024

AZA ADINOINA FA LE 8 FEVRIER IZAO NO FANAOVANA NY RECONFIRMATION SADY FANDEFASANA NY VOLA ENTI-MANANA, AMIN'NY LE 12 FEVIER E

20/01/2024

mbola maro no manontany ny andinindininy amin'ny MP momba ilay formation SERVICE TRAITEUR dia toy izao ilay izy, fa aza tara fa vitsy dia vitsy sisa ny toerana

19/01/2024

MAHAFINARITRA FA BETSAKA IREO ANY AMIN'NY FARITRA NO MANDRAY ANJARA AMIN'NY FIOFANANA HO SERVICE TRAITEUR ATAONAY