BOOST Ntsika Madagascar

La confiance est le fondement d'une relation

05/06/2024

Te ho mafy amin'ny fiainana ?

Aza miasaloha amin'ny vavan'olona fa ataovy izay tokony hatao

Aza manantena olona hanampy fa ataovy izay vitanao.

Aza miandry zavatra mora fa miezaha manao zavatra sarotra mba hiavahanao amin'ny maro..

Mitiava manao zavatra vaovao fa aza sakanan'ny tahotra.

Aza tia manambitamby olona loatra fa raha tsy te hiaraka aminao izy dia avelao any fa izay hampiakatra ny fiainanao no atao.

Aza mandatsaka ranomaso amin'olona maniry anao hijaly.

Tsikio foana ny fiainana na inona ady sarotra andalovanao.

Mianara foana isanandro fa aza mijanona.

Aza miteny mafy rehefa misy olona mitrerona mafy anao ary ny tena tsara dia tsy miteny mihitsy fa mitsiky kely dia ampy.

Manร na tanjona enjehina fa tsy olona no henjehina

Matokisa ny tenanao fa mahavita zavatra nohon'ny eritreretinao ianao.

BOOST Ntsika Madagascar

03/06/2024

Tadidio fa tsy misy olona te hahita anao tafita sy mahomby mihoatra lavitra azy izany ankoatra ireo Ray aman-dReninao sy ny Vrai Leader mitarika anao.

Ny namana sasany mantsy:
-Tiany ianao ny ho tafa fa tafa tsy mihoatra azy.
-Tiany ianao ny hahay fa mahay tsy mi-dรฉpasse azy.
-Mirary ny soa ho anao izy fa rehefa tonga aminao ny soa dia hialonany ianao.

Hey,
amin'ny maha Leader anao ahy dia tiako ny hahahita anao hamirapiratra, tiako ny hahita anao hahomby.

-Mamirapirata hatrany hatrany letsy.
-Mahombiaza hatrany hatrany.
-Mahazoa fahalalana mihoatra noho izay efa hananako.
-Manangร na orinasa mihoatra izay efa natsangako

Hey,
Dรฉpassรฉo aho...
Afaka dรฉpassรฉ-nao mille fois aho na androany androany ihany.

Mahaiza tompoko mifaly amin'ny fahombiazan'ny hafa.
Aza hialonana ny namanao rehefa lasa alohanao.

ยฉ Joel Razafindralema
BOOST Ntsika Madagascar

01/06/2024

INONA NO ATAO MBA HANAJANโ€™OLONA ANAO ?

Atombohy amin'ny fanajanao ny tenanao aloha

Aminโ€™ny ankapobeny, ny olona izay milaza fa tsy hajainโ€™ny olona dia: olona tsy ampy fanajana ny tenany.

Mety tsy manaja ny vatanao ve ianao?

Tena manaja ve ny โ€œtenyโ€œ aloakin'ny ny vavanao?

Manaja ny tenanao ve ny fomba fiakanjonao?

โ€œImagineoโ€ hoe: misy olona 500 manaja anao sy manara-maso anao aminโ€™izao fotoana izao: mendri-panajana ve ianao?

Hidio tsara ny trano, mijereva fitaratra, miresahaโ€ฆ ary diniho hoe: hitako amin'ny fitaratra zao ve ilay tena โ€œzahoโ€?
Sa olona hafa io manoloana ahy io?

Ny fiainana mantsy dia fihaonana aminโ€™ny hafa, mety mihaona aminโ€™ny โ€œreceveurโ€, mpiady an-tsena, sns; ireny toetranโ€™ny manodidina anao ireny dia miampita tsikelikely aminao: na tianao na tsy tianao!

Rehefa mijery fitaratra ianao dia diniho sao hoe: ny toetranโ€™ilay โ€œmpanampinayโ€ ity lasa toetrako ity.
Na toetra ratsinโ€™ilay patron nampiasa ahy taloha kay ity lasa toetrako ity?
Na ny toetranโ€™ilay โ€œmeilleur amis akoโ€? sns snsโ€ฆ

Ary manomboka izao dia amboary ny toetra, ny fiakanjo, ny fiteny; avoahy ilay tena ianao, ny maha izy azy anao, โ€ฆ fehezo mihintsy ny tenanao mba tsy hamoaka ny toetranโ€™olon-kafa fa hamoaka ny toetranao !

Ianao anie tsara fanahy e!

Ianao madio fo fa tsy mihatsaravelatsihy!

Ianao anie tia mandefitra e!

Ianao anie mahalala fomba e!

Ianao mpanaja olona!

Ianao tia mitsiky!

Ianao โ€œchaleureux โ€œ!

Ianao โ€œgรฉnรฉreuxโ€!

Ianao tsy mpanararaotra olona!

Ianao tia manampy ny hafa!

Ianao faly mahita ny hafa tafita!

Ianao manana tanjona aminโ€™ny fiainana!

Ianao mpamela heloka!

Ianao vonona ny hiova!...

Inona no tianao ho toetranao?

Amboary aminโ€™izay tokony ho izy ny toetranao!

Raha hitanao fa nahasoa anao ny fampianarana hatraminโ€™izay, dia ankasitrahana indrindra ianao raha mba manao โ€œpartageโ€ sy โ€œJ'aimeโ€ ny pejy ary mi-invitรฉ ny amis nao rehetra hi-abonnรฉs, mba tsy ho diso anjara aminโ€™ny fampianarana manaraka ianao.

Mirary soa ho antsika rehetra ๐Ÿ™

BOOST Ntsika Madagascar

31/05/2024

Ny fifehezan-tena no fanalahidin'ny fahombiazana!

Ny fitsipi-pifehezana no hahatonga ny fiainanao hihatsara kokoa ary hampandroso anao.

Aza gaga ianao raha misy projet tianao hatao nefa tsy mety tanteraka foana, satria maninona ?
Ianao tsy mametraka discipline,

- Satria raha vao mandray karama dia tonga dia mandany vola amin'ny zavatra passifs.
- Zavatra handany vola fa tsy hampidi-bola,
Mandany vola any amin'ny revy, sns.
- Raha vao mahazo vola dia manenjika vehivavy eran'ny ny tanร na.

Raha ianao tsy mety mahatafatsangana projet mihitsy nefa manana vola dia tsy motivation no tsy ampy aminao fa ny fifehezan-tena

Amboary ny fitsipi-pifehezana amin'ny tenanao, mba hampandroso ny fiainanao.

Ny vokatra dia avy amin'ny ezaka ataonao ihany.
Tsy mora no hahatongavana amin'izany fahombiazana izany, matetika dia mitaky fanoloran-tena, ezaka, fiaretana.

Ry namana, manana fifehezan-tena raha te hahomby !

30/05/2024

Tianao ho be mpahafantatra ve :
โ˜‘๏ธ Ny orinasanao,
โ˜‘๏ธ Ny marikao
โ˜‘๏ธ Ny varotra ataonao
โ˜‘๏ธ Ny pejinao, sns...

Mila hainao ireto zavatra ireto :

- Mila mahay misintona olona mba hahafantatra anao sy ny business-nao ianao
- Mila mahay mivarotra ianao

Raha te hampitombo ny olona mahafantatra anao ianao dia mila mampiasa ny stratรฉgie marketing ; marketing digital na marketing traditionnel
Omeko ohatra telo amin'izay marketing digital izay ianao :
โญ Ny fisintomana olona amin'ny alalan'ny famoronana contenus
โญ Fampiasana influenceur
โญ Ny Boost page na publication ; ny ankamaroan'ny olona mivarotra ato amin'ny facebook dia mampiasa ity resaka Boost ity avokoa mba hampitomb haingana ny olona mahita ny zavatra amidy.

Ho anao : mpandraharaha, mpanao vente en ligne, mpanakanto, sns.. izahay ato amin'ny BOOST Ntsika Madagascar dia afaka miara-miasa aminao amin'izay fampitomboana ny services-nao izay.
Mandray Boost isan'andro izahay.

Midira mp ary na miantso ny laharana eo amin'ny affiche raha mahaliana anao izay.

BOOST Ntsika Madagascar

30/05/2024

Aza hadinoina na oviana na oviana fa misy hery ao anatinao.

Ny nofinofy rehetra nofidianao, ny sakana rehetra izay nanapahanao hevitra fa horesena, dia manampy amin'ny famolavolana ny dianao mankany amin'ny fahombiazana.

Ny lalana mankany amin'ny fahombiazana dia mety ho feno fandrika, fa ny fahavononanao tsy mihozongozona no hitarika anao ho amin'ny fanatanterahanao ny nofinofinao.

Aza avela hanakana anao amin'ny fanirianao lalina ny fisalasalana na ny tahotra.

Minoa ny tenanao sy ny fahaizanao.

Rehefa manao jery todika ny dingana nataonao ianao, dia ho hitanao fa ny dingana tsirairay, na dia ny kely indrindra aza, dia nandray anjara taminโ€™ny fitomboanao sy ny fivoaranao manokana.

Ny traikefa rehetra, ny tsy fahombiazana rehetra ary ny fahombiazana rehetra dia namolavola anao amin'ny fomba miavaka sy sarobidy.

Noho izany, miezaha manonofy lehibe, mametraha tanjona feno fahasahiana, ary miezaha mafy hanatratra izany.

Enga anie ny faharesen-dahatra sy ny fanapahan-kevitrao hitarika anao hiala amin'ny zavatra rehetra izay manakana anao.

Asehoy ny tanjaky ny fahatapahan-kevitrao ary manentana ny hafa hanatratra ny nofinofin'izy ireo koa.

Tsarovy hatrany: eo am-pelatananao ny hery hahombiazana.

Manร na safidy hanova ny nofinao ho zava-misy ianao.

28/05/2024

Ny lehilahy manana valeur

1. Tsy lany fotoana manenjika sipa.
Ny lehilahy manana ny lanjany dia tsy hitanareo hanarabody vehivavy izany, tsy hitanareo hanao izay zavatra tsy fataony mba hitiavan'olona azy, tsy lany fotoana hanambitamby vehivavy fa raha tsy tia azy ianao dia avelany any ka manova hafa izy. Misy lehilahy sasany mantsy tsy mahafantatra tsy tiana mihitsy.

2. Manana fidiram-bola matotra
Manana ny fidiram-bola izay miankina aminy fa tsy miankina amin'ny hafa.
Izay no mahatonga ny olona valera tsy miandry vola avy amin'ny mamasosy fa mahavita mamorona fidiram-bola ho azy izy.

3. Mahay mitafy
Ny lehilahy manana ny lanjany tsy hitanao hanao short fohy hely any an-dalana fa fantany tsara ny fitafy mampihena ny lanjany.
Satria fantany tsara fa raha te hisy lanjany izy dia mila manisy valera ny fijery avy aty ivelany fa tsy hoe matoky fa mafy fisainana be dia akanjo maloto, short fohy kely no anaovana.

4. Manana ny tanjony
Ny mahatonga azy tsy lany fotoana manambitamby olona dia satria manana tanjona ho tratrarina izy fa tsy olona na sipasipa. Io na ho saran'ny vehivavy zany tsy hamono tena satria ny tanjony no antony hivelomana fa tsy vehivavy.

5. Manaja ny olona rehetra
Tsy manavaka na iza eo akakiny dia hajainy.
Na maloto na madio, na bota na mahia, na lava na fohy dia samy olombelona daholo aminy ka mendrika ny hajaina eny fa na dia ny ex-ny aza. Misy olona sasany mantsy vao lasa ex-ny iny olona iny dia avoaka daholo ny tsiambaratelo sns...
Tsy olona valera izany

6. Mahay miresaka
Olona misaina tsara izany mialohan'ny hiresaka ka tsy ho entin'ny taitaitra na entim-po. Mahafantatra tsara ny resaka mety hankarary olona. Satria mahay mipetraka amin'ny toeran'ny olona iresahany izy. Ka raha fantany fa hankarary anao dia aleony mitady fika hafa hiresahana azy na mety tsy ho lazainy koa.

7. Manaja ny vadiny.
Fantany tsara fa tsy ho tongalafatra io vadiny io ka na inona fakam-panahy any ivelany any dia tsy fitahiny mihitsy ny vadiny izay nekeny ho andefimandriny.
Misy olona milaza hoe tsy lehilahy raha tsy mampirafy fa ny azy kosa rehefa manana vady iray hiaraka hanatanteraka ny tanjony dia efa ampy azy.

Izay fa azo ianarana tsara ireo raha te ho lehilahy misy lanjany.

BOOST Ntsika Madagascar

25/05/2024

Mety mimenomenona ianao amin'ny asanao
Tsarovy anefa fa misy olona tsy an'asa any ary maniry mba hanana asa toa anao

Mety mimenomenona ianao amin'ny tokan-tranonao ; tsarovy anefa fa misy olona tsy manana tokan-trano any maniry mba hanana tokantrano toa anao.

Mety mimenomenona ianao amin'ny Ray aman-dReninao ; dia tsarovy anefa fa misy olona kamboty any.

Mety mimenomenona ianao amin'ny zanakao dia tsarovy fa misy olona momba, tsy miteraka any.

Mety mimenomenona ianao amin'ny fiaranao dia tsarovy fa misy olona reraka ny mandeha tongotra amina kilometres maro any.

- Mifalia amin'izay anananao.
- Ankasitraho izay dingana vitanao.

Ry namana,
Tadidio fa maro ny maniry ny toerana izay misy anao.
Maro no maniry ny hitovy aminao.

Miravoravoa amin'izay misy anao androany fa aza mionona amin'izay misy anao androany.

Maji Mizara
BOOST Ntsika Madagascar

22/05/2024

Dingana 3 tsy maintsy arahinao raha tianao hahalafo betsaka ny page Facebooknao :

โœ…1-Ataovy izay hiakarany isan'ny abonnรฉe anao. Ny olona vao mahita page be mpanaraka dia tsara izay ny any an-tsainy. Lasa mora kokoa ho azy ny hahatoky anao.

Fehezo tsara anefa ny resaka ciblage mba ho olona liana amin'ny zavatra zarainao ny ho lasa abonnรฉe anao fa tsy misy dikany raha manana abonnรฉe 100K ianao nefa 10K no liana amin'ilay zavatra ataonao; hany ka zara raha misy rรฉaction ny publication anao; zara raha mahalafo firy.

โœ…2-Mila engagena ny audience.
Tsy hoe vao tonga ao amin'ny pagenao akory ilay olona dia hivarotanao. Ianao ary mbola tsy fantany akory. Ianao ary mbola tsy hatokisany akory.

Mila ianao mba mizara maimaimpoana aminy aloha mba hitombony rรฉlation anareo. Toy ny torohevitra, motivation, tutoriel maimaimpoana, sns...

โœ…3-Izay vao miconvertir azy hividy ianao.
Tsy misy dikany izany page be abonnรฉe sy betsaka rรฉaction izany kanefa zara raha mahalafo firy.

Mila mahay mandefa message mandresy lahatra azy ianao amin'ny alalan'ireo techniques de vente maro toy ny copywriting, storytelling, psychomarketing, psychologie inversรฉ, sns...

BOOST Ntsika Madagascar

21/05/2024

Ndao aloha isika hiresaka ireo toe-tsaina mampahantra

Ireto misy fepetra 10, tena tsara raha te hijanona amin'ny fahantrana:

1- Miandrasa rahampitso lava vao manao zavatra
2- Fadio ny mamaly Boky fa film jerevana na manaova jeu andaniana andro
3- Soso-kevitra avy amin'olona tsy manankatao sy Tia mifosafosa henoina
4- Miandrasa validation avy amin'ny hafa vao mandray fanapaha-kevitra
5- Rehefa solafaka indray mandeha, dia aza mitraka intsony fa ampy izay
6- Olon-kafa foana disoina rehefa misy ny tsy fahombiazanao
7- Ny mpitondra fanjakana no hanova n'y fiainanao ka andraso eo foana zareo
8- Tsy ilaina ny mianatra ary tsy Mila mahatoky valeur ihany koa
9- Rehefa mety aminao ny situation anao amin'izao, Dia aza maka risque intsony hivoarana.
10- Rehefa mba nety ny nataonao, dia aza tohizana intsony ny ezaka fa makร  fafiny aloha mandany ny vola efa azo

Fehiny : tsy misy olona natao hahantra n'a koa nateraka ho mpanankarena. Fa arakaraka ny toe-tsaina no mampahantra na mampanakarena.

Azonareo angamba ny tiako hampita, mirary soa hatrany โค

BOOST Ntsika Madagascar

Photos from BOOST Ntsika Madagascar's post 24/04/2024

La fin du monde est trรจs proche

Une mรจre รขge de 56 ans ร  Mariรฉe officiellement un Petit garรงon รขge de 7 ans ร  Ghana

ยฉ Saikou Oumar Barry

12/04/2024

โš ๏ธ๐“๐‘๐€๐๐†๐€ ๐‡๐€๐…๐€๐Š๐„๐‹๐˜

Pasitera iray mampianatra ireo mpivavaka ao aminy ny fomba fanaovana firaisana ara-nofo.
Ny tanjona hoy izy mba hialana amin'ny fampirafesana sy ny fisarahana ka ilaina ny fahaizana manokana io taranja io. Tsy toy ny hoe adidy fotsiny izy fa fiainana hoy hatrany izy.
Tokony tsy mionona fotsiny amin'ny fomban-drazana hoy izy fa mba omena tsiro hafa ihany koa ny fifankatiavan'ny mpivady.
Abonneo page๐Ÿ˜†

Photos from BOOST Ntsika Madagascar's post 04/04/2024

โš ๏ธโ—๏ธ๐™‰๐™ž๐™ฉ๐™ง๐™–๐™ฃ๐™œ๐™–๐™ฃ๐™– ๐™ข๐™–๐™๐™š๐™ง๐™ฎ ๐™ซ๐™–๐™ž๐™ ๐™– ๐™ž๐™ค ๐™ข๐™–๐™ง๐™–๐™ž๐™ฃ๐™– ๐™ž๐™ค ๐™ฉ๐™–๐™ค #๐™๐™–รฏ๐™ฌ๐™–๐™ฃ. ๐™Š๐™ก๐™ค๐™ฃ๐™– 04 ๐™ฃ๐™ค ๐™›๐™–๐™ฃ๐™ฉ๐™–๐™ฉ๐™ง๐™– ๐™›๐™– #๐™ข๐™–๐™ฉ๐™ฎ ๐™๐™–๐™ฉ๐™ง๐™š๐™ฉ๐™ค ๐™–๐™ง๐™ฎ ๐™–๐™ข-๐™ฅ๐™ค๐™ก๐™ค๐™ฃ๐™ฎ ๐™ฃ๐™ค #๐™ฃ๐™–๐™ง๐™–๐™ฉ๐™ง๐™–, ๐™ง๐™–๐™๐™– ๐™ฉ๐™ง๐™–๐™ฃ๐™ค ๐™ก๐™š๐™๐™ž๐™—๐™š 26 ๐™ฃ๐™ค ๐™ฃ๐™ž๐™ง๐™ค๐™™๐™–๐™ฃ๐™– ๐™ฉ๐™–๐™ค ๐™–๐™ฃ-๐™ฉ๐™–๐™ฃ๐™–ฬ€๐™ฃ๐™–๐™ฃ'๐™ž #๐™ƒ๐™ช๐™–๐™ก๐™ž๐™š๐™ฃ ๐™›๐™–๐™ง๐™ž๐™ฉ๐™ง๐™– ๐˜ผ๐™ฃ๐™ฉ๐™จ๐™ž๐™ฃ๐™–๐™ฃ๐™–๐™ฃ'๐™ž #๐™๐™–๐™ž๐™ฌ๐™–๐™ฃ. ๐™Š๐™ก๐™ค๐™ฃ๐™– 20 ๐™ข๐™–๐™๐™š๐™ง๐™ฎ ๐™ฃ๐™ค ๐™ซ๐™ค๐™–๐™›๐™–๐™ฃ๐™™๐™ง๐™ž๐™ ๐™– ๐™–๐™ค ๐™–๐™ข๐™—๐™–๐™ฃ๐™ž๐™ฃ'๐™ž๐™ง๐™š๐™ค ๐™ซ๐™–๐™ฉ๐™ค, ๐™๐™ค๐™ฎ ๐™ฃ๐™ฎ ๐™ข๐™ฅ๐™–๐™ข๐™ค๐™ฃ๐™Ÿ๐™ฎ ๐™ซ๐™ค๐™ž๐™ฃ๐™– ๐™–๐™ž๐™ฃ๐™– ๐™–๐™ฃ๐™ฎ ๐™–๐™ฃ-๐™ฉ๐™ค๐™š๐™ง๐™–๐™ฃ๐™–.
โ™ฆ 7.2 amin'ny maridrefy mpandrefesana no tanjany ka tao ivelan'ny morontsirak'i no nisehoan'izany androany tamin'ny 08h 0ra (00h:00T.U) any an-toerana.
โ™ฆ Mahatonga an'i sy hamoaka fampandrenesana momba ny ny fisehon'ity horohoron-tany izay anisany nahery vaika indrindra tany an-toerana nandritra ny 25 taona ity.

ยฉ Rfi
# L'actu 7-7 .mg

30/03/2024

RAHA VERY NY Tร‰Lร‰PHONE.
Ireo tokony ho fantatra๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌโค๏ธ

๐Ÿ”ด ILAINA ny ''CODE IMEI'' indrindra rehefa sanatria very ny tรฉlรฉphone ๐Ÿ“ฑ

1- DIENY IZAO :

- Mila alainao ary tehirizinao ny CODE IMEI (Identification Mobile Equipement International) ny telephone anao.

- Misy an'io avokoa ny tรฉlรฉphone rehetra ๐Ÿ“ฑ

Izao dia ampidiro ny * #06 # afahanao mijery azy (miseho hoazy ny CODE IMEI, izay miisa 15 rehefa vita ny fampidirana an'io bundle voalaza eo ambony io)

- Tehirizo tsara izany fa io no ahafahana mijery sy manaraka ny findainao raha sanatria very..

2- RAHA SANATRIA KOSA VERY NY TELEPHONE:

a- Alefanao amin'ity adiresy mailaka ity ilay numero IMEI : [email protected]

b- Ampiarahanao amin'ireto fampafantarana momba anao ireto

Votre nom:_________________________

Adresse:___________________________

Modรจle de ttรฉlรฉphone ______________

Objet:______________________________

Dernier utilisรฉ No. :_________________

E-mail pour la communication: _____

Date manquรฉe: ____________________

Numรฉro IMEI: _____________________

c- Afaka 24 ora aorian'ny handefasanao ireo dia tonga ao amin'ny adiresy mailaka anao ''ny toerana misy io tรฉlรฉphone io miaraka amin'ny numero n'ny puce mampiasa azy''

d- Io information omena anao io (toerana sy numeron'ny mpampiasa azy) no omenao ny polisy na andehananao mijery ny tรฉlรฉphone nao.

Mba zarao ary sao mety hanampy ny hafa merci ๐Ÿ™๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌโค๏ธ

Aza hadino hatrany manaraka ny page-tsika raha tehahazo zavan-tsoa isanandro ianao ๐Ÿ‘‡
ยฉ๏ธ๐Ÿ“ท Lydia Tsiafera Gasy ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ โค๏ธ

28/03/2024

โ›”๐Ÿ“› RAHA MAHARE FOFONA GAZ miparitaka manerana ny trano ianao โ€ผ dia araho ireto toromarika ireto mba hisorohana ny loza.

โ›”๐Ÿ“› aza arehitra ny jiro โ€ผ

โœ… fa sokafy am-pahatoniana ny varavarana sy ny varavarankely mba hisorohana ny pitik'afo

โœ… hidio moramora ny gazy (tavoahangy gazy)

โ›”๐Ÿ“› ary aza arehitra ny jiro raha tsy efa lasa tanteraka ny fofon'ny entona. โ€ผ

โ›”๐Ÿ“› Aza sokafana ihany koa ny vata fampangatsiahana raha mbola mamofona gazy, fa miteraka fipoahana izany. โ€ผ

โ›”๐Ÿ“› Aza mikoropaka fa mety hiteraka pitik'afo, โ€ผ

โŒโ€ผ๏ธNy tena zava-dehibe dia aza mamelona na inona na inona mandrapaha afaka ny fofona.

โœ… Sokafy mora fotsiny ny varavarana sy ny varavarankely hialan' ny fofona.

โ›”Aza mitahiry izany vaovao izany ho anao,

Alefaso araka izay azonao atao, mety hanampy olona hialana amin'ny loza izany

ยฉSoa ho anao

27/03/2024

Astuce gratuit โค๏ธโค๏ธ
๐Ÿ’š๐Ÿ’š Zavatra ilaina eto ah๐Ÿ’š๐Ÿ’š
๐Ÿ‘‰ Sakamalaho
๐Ÿ‘‰ voasarimakirana ๐Ÿฅค
๐Ÿ’š๐Ÿ’š Fikarakarana azy ๐Ÿ’š๐Ÿ’š
Jus Sakamalao โ™ฅ๏ธ sy voasarimakirana
(Tsy asiana siramamy no tsara kokoa. Afaka laroana tantely rehefa hisotro azy)
~ Manatanjaka ny hery fiarovana
~ Manadio aty; tsinay; sy ny voa
~ Mamphena tavy
~Mampitony fanaintainana(anti-inflamatoire)
~Manasitrana goutte; rhumatisme; sy ny fanaintainan'ny vanintaolana
~Tsara ho an'ny olona lehilahy manao impuissance sexuelle
~Mampitony fanaintainana mandritra ny fadimbolana ho an'ny vehivavy
~Manafana tranon-jaza, ka tsara ho an'ny vehivavy tsy mahazo zaza
~Mampilamina tosidra sady miaro amin'ny fahatsetsenan'ny lalan-dra
~ Manasitrana aretim-bavony; sy manampy amin'ny fandevonan-kanina
~Manala constipation
~Ody kohaka; sinusite; tazo;...
โ€ขโ€ขโ€ข๐ŸƒZarao mba ho fanampianao ny mpiray tanindrazana **๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ
****Mirary soa ho anao ary eh ๐Ÿ™๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌโค๏ธ

18/03/2024

HAINAO MOA FA IO ADY ATREHANAO IO NO HANANANAO TOMBONY KOKOA

Rehefa mafy io dia mafonja koa ny amboara entiny.
Aza mitsiriritra ny adin'ny olona fa tsy natao ho anao io. Tsy hoe mahita ny azy otran'ny maivana dia mitsiriritra azy. Matoa mbola eo ianao dia midika izany fa zakanao tsara io ary tena mafy be mihitsy ianao.

Zakanao io ary antenaina ny fandresenao matoa natao ho anao.
Eo amin' ilay tena sarotra iny mihitsy no mila miezaka.
Ny atao hoe mahazaka ny fiainana dia tsy hoe izay tsy lavo mihitsy. Fa kosa, izay lavo ka miarina foana na potraka matetika aza.
Hijery ity lalana nolalovanao ianao any aoriana any ;ka ho gaga hoe izany rehetra izany moa dia efa vitako daholo.

Mba misy ho tantaraina amin'ny taranaka ianao,ary mba manome lesona satria efa nahita fiainana sy '' experience "maro be.
Soa lavo hahay amindra. Ny ady iray ihany fa ny fisehony no samihafa. Arakaraka ny fahazakan'ny tsirairay azy.

Vitanao io! Izaho maka anao! Tahian'Andriamanitra!



BOOST Ntsika Madagascar

18/03/2024

Voalaza fa avo folo heny ny angovo lanian'ny fiara manidina mandritra ny fiaingana.
Toizany avokoa ny zavatra rehetra.
Ny manomboka no tena sarotra amin'ny fananganana orinasa.

90% ny orinasa atsangana no maty ankaranany satria tsy niomana amin'ny hasarotry ny fanombohana tetikasa ny mpanangana azyโ—๏ธ

Ireto misy toro hevitra vitsy:
1๏ธโƒฃ Aza matahotra faty antoka.
2๏ธโƒฃ Mifantoha aloha amin'ny fametrahana fifandraisana amin'ny mpiara-miombona antoka
3๏ธโƒฃ Ampahafantaro ny mpiara-miasa ny tanjona sy ny vina.

Mankahery anao izay ao anatin'ny fananganana ny orinasanao aho anio.
Tsy mora io. Fa izaho miteny anao hoe vitanao io.

ยฉ Hevitra Mampahomby

BOOST Ntsika Madagascar

05/03/2024

๐Ÿ‘‰ Tratran'ny ny amin'ny ilany software an'ny Meta ka niteraka olana teo amin'ny , , ary .

๐Ÿ”ด Tapaka nandritra ny adin'iray teo ho eo ny tambajotran-tserasera Facebook, tsy afaka nidirana mihitsy na tamin'ny fomba ahoana na tamin'ny fomba ahoana. Tsy teto Madagasikara ihany nefa fa manerantany io tranga io.

๐Ÿ”ด Amin'izao efa tafiditra izao dia mbola betsaka ireo "option" tsy mandeha aminy. Mbola tsy niverina ny "Photo de couverture", mbola tsy mipoitra ny "historique de recherche"... sy ny maro samihafa.

๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ Miisa 3,80 tapitrisa eo ny mpampiasa Facebook eto Madagasikara ary maro ireo sahirana sy nitady vahaolana hampandehanana izany.

ยฉVaovao Farany - Fil d'infos

05/03/2024

Miaraka amin vadin'olona ve ianao ranabavy? ๐Ÿค”
Indro ary toro-hevitra vitsivitsy atoroko anao โ˜บ๏ธ

1- Ataovy fady ny miara maka sary aminy

2- Raha miantso azy ianao ka manapaka tampoka izy,d aza mamerina miantso fa mety eo akaikiny eo izay le vadiny.

3- Aza mandefa message aminy

4- Fadio ny matory any antranony na tsy ao ara ny vadiny.

5-Ovaovay ny chambre fandehananareo.

6-Aza atao fatatry ny namanao na ny namany ny fiarahanareo.

7-Raha miantso anao ๐Ÿ“ž izy d aza mamaly mialoha,alao izy foana no iteny mialoha fa indray2 le vadiny io miantso io.

8-Aza antsoina hoe "Vady" izy,fantatrao ihanh fa mpihindrana ftsn ianao fa tsy tena tompony.

9-Raha any antranony ianao ka anao ianareo,d aza asorina daholy ny ankajonao,ampiakaro kely ftsn le robe na atogilano kely ftsn le slipo,fantatrao ihany fa ra tonga tampoka eo ny vadiny d tsy maintsy iazakazaka 100Km/H ianao

10-Farany sady zava-dehibe,ialao ny vadin'olona ranabavy,tsy mahasoa anao ny fiarahanao amin vadin'olona.

05/03/2024

Toe-tsaina mila hananana raha te hanana fiainana tsara kokoa :

Aza mifantoka amin'ny manque aminao fa mifantoha amin'ny possibilitรฉ.

Aza mifantoka amin'ny tsy fananao vola fa mifantoha amin'ny possibilitรฉ hahafahanao mahazo vola.

Aza mifantoka amin'ny fahantranao androany fa mifantoha amin'ny possibilitรฉ hahafahanao hanan-karena rahampitso.

Ny toe-tsaina dia misy akony lehibe eo amin'ny fiainana ka mahaiza mamboly toe-tsaina tsara isan'andro.

Commenteo ny hoe : "Eny, vitako izany" raha voarainao tsara ny hafatra.

Photos from BOOST Ntsika Madagascar's post 04/03/2024

๐Ÿ”ฅ๐Ÿ”ฅ40.907.376.000 ๐—”๐—ฟ ๐—ฒ๐—ผ ๐—ป๐—ฎ 9 ๐˜๐—ฎ๐—ฝ๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ถ๐˜€๐—ฎ ๐—ฑ๐—ผ๐—น๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ป๐—ผ ๐—ธ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ป'๐—ถ #๐—ฅ๐—ถ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ป๐—ฎ ๐˜๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ณ๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐˜€๐—ฒ๐—ต๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ถ๐—ฟ๐—ฎ๐˜† ๐—ป๐—ฎ๐˜๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐˜† ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ป๐˜† #๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐—ฎ๐˜‡๐—ถ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐˜‡๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ ๐—น๐—ฎ๐—ต๐—ถ๐—ป'๐—ถ , ๐—ถ๐˜‡๐—ฎ๐˜† ๐˜ƒ๐—ผ๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐˜‡๐—ฎ ๐—ต๐—ผ ๐—บ๐—ฝ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ธ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐—ถ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ฎ๐—ป๐˜† #๐—œ๐—ป๐—ฑ๐—ฒ, ny faran'ny herinandro teo. Isan'ireo voaasa tamin'io lanonana io koa i Mark Zuckerberg, Ivanka Trump ary i Bill Gates.

ยฉVaovao 24-7

Photos from BOOST Ntsika Madagascar's post 29/02/2024

Misy mahita matetika any brickaville , mandratra olona, hita mihinana biby, any fianaratsoa , eny itaosy sns ...ny biby izay malaza amin'izao io
Ny fanontaniana dia hoe taiza io biby io ela zay dia izao vao miaraka miseho amin'ny toerana maro eto madagascar ?

Misy fijoroana vavolom-belona ao amin'ny commentaire ao ๐Ÿ‘‡๐Ÿ‘‡

29/02/2024

Ireo fomba fiteny mila ahitsy rehefa miteny isika fa manjary miteniteny foana

1. "Vadin-joky kilolohan-jandry" (ny teny kilolohan-jandry dia midika hoe lolohavina na hajaina)
-Fa tsy hoe "vadin-joky kilalaon-jandry" ( sao misy hanararaotra fa hoe izay ilay fomba fiteny)

2. "Valahara mpiandry fasana" (Ny olona valahara teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia midika fa olona azo atokisana. Izany ny mahatonga ny Malagasy rehefa tezitra dia tafa-teny hoe "olona TSY VALAHARA iny"( izany hoe mpamitaka, tsy azo atokisana, tsy milaza ny marina)
-Fa tsy hoe "Valala mpiandry fasana" (Valala ve hiandry fasana)

3. "Ady voay ama-mamba an'i Kirijavola, ka tonga dia ny voamasony no potsirina"
-fa tsy hoe akory "Ady vomanga an'i Kirijavola, ka tonga dia ny voamasony no potsirina" (izaho aloha mbola tsy nahita voamaso amin'ny vomanga e)

4. "Mahita volana alohan'i Habib" . Fantan-tsika ve fa i Habib dia mpimasy anankiray teo ambohitrabiby?

-Fa tsy hoe akory "Mahita volana alohan'ny biby" (isika olombelona ary no efa teny amin'ny volana fa ny biby mbola tsy voaporofo hoe teny ko. )

5. -"Ny tody itsy misy, Ny atao koa miverina" izany hoe (lozan'izay manao ratsy fa sady tratran'ny tody no hiverenan'ny nataony)
-"Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina" (Ny Ntaolo Malagasy sy isika Gasy dia nino marina fa misy ny TODY ka eto nefa lazaina fa tsy misy)

6)- "Ny tany nahavokisana tsy hipetrahana ela". Mety ho gaga izao ianareo hoe inona no mety ahadiso an'io e?
-"Ny tany nahavokisana, ny Tsihy nipetrahana ela". Izany hoe sady efa voky no sady efa nipetraka ela teo amin'ilay olona ka efa tokony andeha amin'izay. Satria raha fatan-tsika dia ny Tsihy dia natao hipetrahana rehefa any ambanivohitra taloha, eny mbola misy ny mampihatra amin'izany amin'izao, ary ny Lambanana no fametrahana sakafo.

ยฉ Evarard Mihary

BOOST Ntsika Madagascar

Photos from BOOST Ntsika Madagascar's post 24/02/2024

๐๐ข๐ก๐š๐จ๐ง๐š ๐ข ๐ข๐ฅ๐š๐ฒ ๐ฅ๐ž๐ก๐ข๐ฅ๐š๐ก๐ฒ #๐ฅ๐š๐ฏ๐š ๐ข๐ง๐๐ซ๐ข๐ง๐๐ซ๐š ๐ž๐ซ๐š๐ง-๐ญ๐š๐ง๐ฒ, ๐ฆ๐ข๐ซ๐ž๐Ÿ๐ฒ #๐Ÿ,๐Ÿ“๐Ÿ๐ฆetatra ๐ฌ๐ฒ ๐ฏ๐ž๐ก๐ข๐ฏ๐š๐ฏ๐ฒ #๐Ÿ๐จ๐ก๐ฒ ๐ข๐ง๐๐ซ๐ข๐ง๐๐ซ๐š, mirefy . Tanjona moa ny anehoana fa afaka miaraka sy mifandray tsara ny rehetra na dia eo aza ny elanelana sy fahasamihafana.

ยฉLe Monde des Cรฉlรฉbritรฉs

23/02/2024

FAMPITOMBOANA HAINGANA NY FAHATOKISAN-TENA

Miala tsikelikely amin'ny tahotra mba hampitombo ny fahatokisan-tena.
Izay tsy mety miala amin'ny toerana mahazatra azy dia matahotra ny hafa. Ireo olona manana fahatokisan-tena mafy be dia nianatra niaina tao anatin'ny tahotra.

Mila tsy marefo amina tranga na zavatra mampatahotra anao intsony ianao.

Ataovy anaty lisitra mihitsy ny tahotrao, ataovy amin'ilay tena mampatahotra anao indrindra mihitsy aloha. Ary zarao roa : izay mampatahotra anao sy izay tsy dia tena mampatahotra anao.

Rehefa vita izay!

Miady amin'io tahotrao io ianao ary fantaro ny tena sakana sy ny fomba hialanao aminy.

โ€ข Raiketo izay tanjona kely azo tratrarina fa tena mampitombo fahatokisan-tena io :

Ny ankamaroan'ny fomba ampiasaina amin'ny fampivoarana ny voa maha olona dia manainga anao hanofy sy hanatratra tanjona ngeza be, mba hifantohanao amina tanjona ambony.

Marina sy mahomby izany rehetra izany... saingy tsia, raha ambany ny tahan'ny fahatokisan-tena anananao.

Mila manonofy, ary aza menatra ny manonofy.

โ€ข Manaova zavatra vaovao be aminao :

Rehefa miala amin'ny fomba fanao mahazatra, dia mila mieritreritra ny hanao zavatra vaovao tsy fanao. Rehefa manao izany ianao dia misy varavarana kely be dia be misokatra omen'ny fiainana ho anao.
Rehefa ilay fanao mahazatra foana manko no atao ka tsy mifanaraka amin'ilay tanjona tokony ho izy no tratra dia lasa mandiso fanantenana. Mandehandeha amina toerana mbola tsy naleha, manaova fiherem-panahy raha mbola tsy nanao mihitsy, ampianaro mijery zavatra tsara ny maso e!

โ€ข Manaova fifandraisana vaovao:

Ny fifandraisana vaovao mbola tsy fahita dia mitondra amina traikefa vaovao ihany koa. Lasa misy laza-adina vaovao indray rehefa miresaka, fandraisana vaovao, fomba fijery vaovao, hevitra tsy mbola fahita na voateny.
Isika rehetra dia samy manana traikefam-piainana samy hafa sy ady samy hafa, ary samy manana lalam-piainana samy hafa mahafinaritra azo tantaraina tsara mihitsy.

Lasa misy lesona azonao tsoahina amin'ny fiainany ohatra.

Misokafร  amina kolon - tsaina vaovao, hevitra vaovao. Lasa hivoaka amin'ilay fomba fisainana mandeha ho azy iny ianao izay hitantsika amina olona efa hita isan'andro amina toerana efa mahazatra.

โ€ข Ampiharo ny tsy fiankinan-doha mba hampitombo ny fahatokisan-tena :

Rehefa hitrandraka zava - baovao ianao mba hahazo tombony amin'ny fahatokisan-tena, dia ezaho atao irery. Ekeko hoe milamina tsara rehefa eo ilay namana saingy hainao fa tsy haharitra mandrakizay eo izy dia tsy hahavita n'inona n'inona eo ianao.

Ny fijanonana amin'ny fomba fanao mahazatra dia miteraka tahotra.

โ€ข Ankafizo isan-kariva na isak'izay mampety azy ny fahatsiarovana mihabo :

Rehefa mahatsapa an'iny ianao dia lasa misy fahasambarana ao anatinao izay manosika anao hanatratra ilay tanjona.

โ€ข Farany : misintona rivotra amin'ny orona dia avoaka moramora amin'ny vava :
Tena matotra io ary mampitombo ny fahatokisan-tena. Rehefa miasa saina dia ataovy io. In-telo!

ยฎManambina RANJALAHY

BOOST Ntsika Madagascar

22/02/2024

TOETRA 03 ITOVIZAN'IREO OLONA MAHOMBY

1-TSY BAIKON'NY FO FA BAIKON'NY SAINA MANDINIKA LALINA , Izany hoe olona mahay mifehy ny fony na faly ,na tezitra, na tia, na mankahala.Ary tsy ny fony no mibaiko azy handray fanapaha-kevitra fa ny saina rehefa nandinika tsara mba hanao ny tokony atao.

2- MANANA FIFEHEZAN-TENA, Ny olona mahomby rehetra dia manana disciplines efa napetrany ho fomba fiainana, amin'ny olona hifandraisana, ny fatantanana fotoana, ny tsy maintsy hanatsarany ny fahalalana, sns..

3- MANANA TANJONA GOAVANA ARY MANANA PLAN HANATANTERAHANA IZANY.
Tsy tanjona ny tanjona iray raha tsy misy fotoana napetrakao tokony hatratrarana azy, raha tsy manana plan na drafitra ianao hatongavana aminy fa Mbola nofinofy no anarany.

Te hoisan'ireo mahomby amin'ity 2024 ity ve ianao? Ampiharo ireo toetra 03 ireo dia ho hitanao ny vokatra amin'ny faran'ny taona.

ยฉOrinasa Tafatsangana sy Mandroso

BOOST Ntsika Madagascar

21/02/2024

๐Ÿ’ฅAza miantso olona tsy mahafoy na crรฉdit hiantsona anao akory, eny na message gratuit ary .

๐Ÿ’ฅAza mandany fotoana hoan'ny olona tsy mahafoy na dia iray segondra ho anao akory .

๐Ÿ’ฅAza manampy olona tsy mahafoy na dia ariary ho anao akory fa fanararaotana no dikan' zany. Tsy fantany ianao raha tsy misy ilainy.

๐Ÿ’ฅAza miasa saina amin'ny olona tsy mahatsiaro ny fisinao akory fa fandanim-potoana ho anao izany .

๐Ÿ’ฅRaiso amin'izay fomba fandraisany anao ny olona iray dia aza mandrera-tena manao izay hahatsapany ny fitiavanao sy ny fisinao.

๐Ÿ’ฅomeo fitiavana ireo teo foana ho anao, hialao lavitra ireo olona tsy mila anao raha tsy misy tombotsoany . Maro no tia anao ary betsaka ireo vonona hanampy anao.

๐Ÿ’ฅOlona hitanao fa vonona hifanavotra sy hifampisintona hiakatra no ataovy akaiky anao. Tena namana izy izay rehefa faly amin'ny fahombiazanao.

๐Ÿ’ฅIreo hitanao fa vonona hifanampy aminao handroso amin'ny fiainana no ataovy mameno ny fiainanao. Ny ankoatran'izay avelao any fa mandany fotoana fotsiny.



BOOST Ntsika Madagascar

20/02/2024

Te ho tafita ve ianao?

โžก๏ธAza atao fantatry ny hafa ny lalana alehanao , fa raha vao fantatry ny hafa izany dia tsy ho tonga amin'ny tanjonao mihintsy ianao

โžก๏ธAza mitomany olona tsy eo ,izay tsy afaka hamafa ny ranomasonao akory

โžก๏ธAza manantena na iza na iza eo amin'ny fiainana raha te-hivoaka mpandresy ianao, eny fa na dia ny ray aman-dreninao aza

โžก๏ธNy lalanao sy ny tanjonao no zava-dehibe kokoa nohon'ny hafainganam-pandehanao
Maro no mandeha mafy nefa tsy lasa lavitra akory

โžก๏ธAza avela hotazan'ny hafa ny herim-ponao
Aza omena ny hafa ny anjaranao

โžก๏ธAza manambani-tena mihintsy na dia mananihany aza.Fadio izanyโŒ

โžก๏ธAza mandray fanapahan-kevitra entitra anaty fihetsem-po mandalo

โžก๏ธAza mitomany eo anatrehan'ny olona ,fa toy ny mandry eo akaikin'ny antsantsa ianao amin'izay

โžก๏ธRehefa fantatrao ny hasarobidinao ,sy ny maha-izy azy anao ,dia aza miezaka, aza mitady izay ahafaly ny hafa ;fa izay mampandroso sy mahatsara ny fiainanao atao

โžก๏ธAza hadino fa ny fahombiazana dia lalana andalovana fa tsy tanjona

Tadidio fa misy fiakarana , misy fidinana eny an-dalana eny fa amin'ireny indrindra no ahafanao mihoatra sy mitsambikina ary mampiseho fa mafy ianao.mahery ianao , mahavita zavatra ianao.

"Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy." FILIPIANA 4:13

Formation

BOOST Ntsika Madagascar

Want your business to be the top-listed Advertising & Marketing Company in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Telephone

Website

Address


Antananarivo
101
Other Advertising/Marketing in Antananarivo (show all)
Varotra boky pdf alefa MP Varotra boky pdf alefa MP
SMAP
Antananarivo, 101

Anjara boost Anjara boost
Ankatso
Antananarivo, 101

contactez-nous

Service boost page and publication Service boost page and publication
Fianarantsoa
Antananarivo, 301

Promouvoir votre page-obtenir plus d'interaction-obtenir plus de message

Safari Boost Page Safari Boost Page
Antananarivo

BOOST Page Mada BOOST Page Mada
Antananarivo

Miasa ao anaty fahamatorana

Varotra enligne Varotra enligne
Tana Ville
Antananarivo, 101

Vendeur

Rolland Mi-Boost Rolland Mi-Boost
Antananarivo

Sponsorisรฉ de la page et publication

Boost Page.Com Boost Page.Com
Ambanidia Arret Bus Tsena
Antananarivo

Izahay dia manao Boost Publication , Page, Video

Mr Boost 2.0 Mr Boost 2.0
Antananarivo

Nous assurons la visibilitรฉs de vos produits sur les rรฉseaux sociaux.

Patisserie Clotilde Patisserie Clotilde
Lot IVP 206 Ankadifotsy
Antananarivo, 101

Izahay dia mandray commande rehetra momban'ny Viennoiserie (Pain choco, Brioche , Madelaine , Cake ,

IPhone de France IPhone de France
Anjanahary
Antananarivo, 101

Faly mandray anao izahay tompoko

MenaCom Agency MenaCom Agency
Antananarivo, 101

Crรฉativitรฉ - Professionnalisme - Rapiditรฉ - Justesse