Valérie Ramahatafandry

Valérie Ramahatafandry

Modèle photo 📸
Manoro/mizara pose fangalana sary ✨
Mizara fikarakana volo 🥀
Tsikitsiky tsy adino 🤍

05/02/2024

Trend tiktok 😅
Vidéo-ako voalohany miteny frantsay eto😂

Je suis modèle photo et bien évidemment que… mbola misy be dia be fa izay ihany aloha no voateny😂

Photos from Valérie Ramahatafandry's post 05/02/2024

Just be yourself
People don’t have to like you
And you don’t have to care
You can’t change how people feel about you
And don’t even try
Just live your life and be happy ✨

Herinandro vaovao sahady ,nareo koa ve mahita hoe tena mandeha aingana be ilay 2024? 😂

Bonne semaine daholo 🥀

Photos from Valérie Ramahatafandry's post 04/02/2024

Maquillage nataon’i Samchia A. - Beauty Room & Shop ❤️

Sary efa ela tamin’ny voloko mbola tsy niloko sady lava be🥱
Dia misy kibo kely koa🤣

Bon dimanche daholo🥀

03/02/2024

5 idées de pose ✨

Matetika tsy hay intsony hoe apetraka aiza ny tanana rehefa maka sary e?☺️ ireto misy sary anaky 5 mora averina tsara 🤗

Photos from Valérie Ramahatafandry's post 03/02/2024

Mirary sabotsy mahafinaritra o🥀

Inona ataonareo androany ?🤍

Misy vidéo pose photo rahariva ho anareo rehetra izay mangataka an’izay any amin’ny mp o❤️

02/02/2024

Soin des lèvres 👄
Anaty description foana ihany ny détails rehetra 🤍

Étape 1: gommage (2 à 3 fois par semaine)
-1 sotro siramamy
-1 sotro tantely
-Vaseline kely
-1 sotro citron

Étape 2: hydratation
Baume à lèvre na vaseline

✨ Raha maina sy vakivaky be ny molotra dia hosorana vaseline alohan’ny matory dia entina matory (afaka atao isakalina)
✨ Manome hydratation ny molotra
✨ Manazava tsikelikely ny molotra ohatran’ny mainty na matroka be ireny

Photos from Valérie Ramahatafandry's post 01/02/2024

Ny olona ato antrano mieritreritra hoe misy olona tafiditra ato antrano amin’ny 1maraina 😅 Nefaa…
(moi entrain de préparer et manger mon petit goûter de minuit)😂 lol

Photos from Valérie Ramahatafandry's post 31/01/2024

Poziko mahazo compliments avy amin’ny vehivavy 😍vs avy amin’ny lehilahy 🤨🐊
Mahafinaritra kely foana rehefa vehivavy mifanohana sy mifampidoka ✨

Fa na dia izany ary tsy haiko hoe izaho irery ve fa izaho manokana tsy à l’aise mihitsy rehefa misy manao compliments 🥱

31/01/2024

Idée de poses photos ☺️

Araho nge fa tsotra kely e🤍

30/01/2024

Soin des mains 🤗
Anaty description ny details rehetra☺️

Etape 1: Nettoyage 🧼
-Rano mafana na matimaty
-Savony (izay savony fampiasantsika mety daholo)

Etape 2: Gommage ( 1 fois par semaine )
-1 sotro tantely
-1 sotro siramamy
-1 sotro citron

Etape 3: hydratation
Crème hydratante (mety daholo izay fampiasantsika)
Na vaseline

Raha manana tanana vakivaky na maina be (atao isakariva alohan’ny atory)
-huile de coco 🥥
-Vaseline
-Gant plastique
-Gant tsotra

Photos from Valérie Ramahatafandry's post 29/01/2024

Be the best version of yourself ✨

Happy week guys 🥀
Ampatsia kely fotsiny hoe mbola amin’ny jeudi vao février 😂

28/01/2024

Cherry lips 🥀
Adinoko ni-tailler ilay crayon 😂😌

Photos from Valérie Ramahatafandry's post 28/01/2024

Mangahazo🍂
Mangahazo maina no tena tiako fa io aloha nisy dia hoanina foana🥱

Photos from Valérie Ramahatafandry's post 27/01/2024

Mirary faran’ny herinandro mahafinaritra be antsika rehetra 🥀

Photos from Valérie Ramahatafandry's post 26/01/2024

Fa mangatsika ilay andro sa mafana fa tena tsy azoko mihitsy 🥱🍃

Bon après-midi ihany aloha na izany aza e🥀

25/01/2024

Encore merci Antso 🙏Dia merci daholo ny mpanaraka rehetra ❤️

Tsy niakatra plateau aloha zah anh😂 be dia be manko nareo no nieritreritra an’izay fa non tsy izay ilay concept ☺️
Ity ilay vidéo ho an’izay tsy nahita tamin’ny télé ☺️

Raha mba tsapanareo manko fa tena tsy nahazo aina mihitsy ah nahita ahy tamin’ny télé teo anh😂😂
Fa merci sodapop dia voaray daholo ny hafatra rehetra😍

Dia ny vidéo tuto miandry kely indray fa somary tsy dia salama izaho dia tsy dia afaka nanao vidéo fa ho avy ❤️

Dia bisous be daholo dia merci fa kay isika efa ho 11000 manaraka eto amin’ny pejy😍🥺

Izay vao nety vita ilay téléchargement
Bonne nuit🥀

Photos from Valérie Ramahatafandry's post 25/01/2024

Coucou 🤍
Andeha ao amin’ny sodapop dream’in TV anatin’ny zanam-pandaharana izay entin’i Antso Bommartin ny pejy Valérie Ramahatafandry rahariva 😁

Manasa antsika rehetra hanaraka fahitalavitra dream’in manomboka amin’ny 17h30 raha te ahita o🤩

Misaotra anareo rehetra manaraka ny pejy aho🥺
Dia misaotra manoka an’i Antso ihany koa, mankasitraka be dia be😍

Bon après-midi daholo 🥀

Photos from Valérie Ramahatafandry's post 24/01/2024

Introverti ianareo sa extraverti?😁
Izaho introvertie☺️ (teneniko ato anaty description ny maha-introvertie ahy raha mahaliana anao😂)


🍃Tsy tia mivoakan’ny trano
-Mahavita tsy mivoakan’ny trano 2 volana na mbola mahery ary raha tsy hoe tena tsy maintsy😂
-Izay namako mahalala fa tsy mandeha izany mihitsy aho rehefa hoe andao mba hiaraka andendeha na hiaraka hisakafo na tsy haiko 😂
-Hiasa na hianatra ihany no hivoahako ny trano ☺️
-Raha zavatra tsy important mbola azo ialana dia tsy mandeha aho fa aleoko ihany mijanona ato antrano

🍃Tsy tia appel
-Tena raha zavatra important dia aleo soratana message fa tsy antsoina ah😂
-Rehefa misy miantso aho dia teneniko hoe ataovy message azafady 😂
-Maheno ny sonnerie maneno ary dia efa tsy tiako 😂
-Ny message koa tsy hoe tiako fa aleoko kokoa message toy izay appel😂

🍃Tiako ny fahanginana sy ny mijanona irery
-Tsy tiako vao toerana be olona fa tena tsy mahazo aina aho☺️
-Rehefa be olona be dia reraka be aho ☺️
-Rehefa tsy maintsy mamonjy fety be olona be dia mila mak’aina sy mijanona irery elaela aho angalako hery vaovao☺️
-Tiako ny mijanona irery sy anaty fahanginana☺️
-Mahay mifandray sy mahay miresaka tsara amin’ny olona aho fa aleoko sy tiako kokoa mijanona irery miaraka amin’ny tenako

Tena mbola maro be fa ireo aloha no nandalo tato antsaiko teto ampanoratana ✍️

Izay introverti rehetra angamba mahazo tsara ny zavatra nolazaiko😂
Dia imagineo hoe sady introverti no mbola sarokenatra , tena mbola tantara hafa🥱

Bonne soirée daholo🥀

23/01/2024

Soin des ongles 🍂
Vakio ny description sy premier commentaire fa ataoko ao foana ny détails rehetra o😁

Zavatra ilaina :
✨ 3 à 4 gousses d’ail
✨ huile d’olive ou huile ricin
✨ 1/2 citron
✨ Vitamine E ( tsy voatery asiana)

Ny tombontsoa azo :
🥀 Manamafy
🥀 Manalava
🥀 Manafotsy ny hoho lasa mavo
👉Tsy mitsabo ny hoho fa manamafy sy manampy amin’ny fitombony 👈

🌻Afaka tehirizina mandrapalany azy
🌻Afaka atao isanandro
🌻Afaka tsy asiana Vitamine E
🌻Eny amin’ny pharmacie no misy ilay vitamineE
🌻 Tsy mety raha menaka hafa ankoatran’ny ricin sy olive
🌻Kobanina amin’ny rano matimaty na mangatsika

Tsy nianatra momban’ny fikarakarana tarehy sy volo ary hoho aho fa mizara fotsiny ny zavatra haiko sy ny efa nandramako ☺️

Fa tsy voatery izay mety amiko dia mety amin’ny rehetra ary izay mety amin’ny hafa dia tsy voatery mety amin’ny rehetra ihany koa🤗

22/01/2024

Pose photo ambon’ny seza indray o🪑

Nanao ahoana ny alatsinainy nareo? Nahafinaritra ve?😁

Photos from Valérie Ramahatafandry's post 22/01/2024

Le succès n’est pas la clé du bonheur
C’est le bonheur la clé du succès ✨
Aimez qui vous êtes,
Aimez ce que vous faites,
Soyez passionné par ce que vous faites
Et vous réussirez 🤍

Bonne semaine guys🥀

Photos from Valérie Ramahatafandry's post 21/01/2024

💚🍃
Sary mba tiako partagena fotsiny fa tsy misy hoe inona😂
Sariko tao amin’i Kate Miraine efa tamin’ny oktobra 2023.

Bon dimanche ✨

Photos from Valérie Ramahatafandry's post 20/01/2024

Ramanonaka sa mofogasy ? ☕️

Hoaniko daholo na mbola ampina menakely ary🥱

20/01/2024

Idée de pose photo ✨

Ela be ilay janvier any aminareo sa vetivety ?😂🥱

Bon week-end🥀

Photos from Valérie Ramahatafandry's post 19/01/2024

Tsy minisitra fa mpanjaka vavy n’inona re e?🥀

Shooting photo niaraka tamin’i Nantenaina RN sy Mathias Harris📸

19/01/2024

Retouche photo 🤍PicsArt foana ihany ilay application

Tsy haiko fa lamaodin’ireo ankizy amin’izao ity manao flouflou sary sy tarehy ity dia ity misy tuto iray hafa indray🤗🤣

Fa ilay tononkira amin’ity hira nampiasaiko ity koa aloha ho an’izay mahay anglais 🥱

19/01/2024

Ity vidéo ity no vidéo-ko voalohany tany amin’instagram nizara fomba fangalana sary🤍

Dia nisy lehilahy izay (tsy gasy sady tsy abonné tamiko akoriny😂) nilaza hoe « tu en fais un peu trop je trouve , ce qui te donne un coté trop superficiel et ridicule » nataoko j’adore moa ny commentaire satria samy manana ny heviny ny tsirairay fa tsy midika izany na marina na diso ny zavatra lazainy🤗

Notohizako foana ihany ny fizarana fomba fangalana sary ary nampitombo be ny mpanaraka ahy any amin’instagram izany✨

Ary ny pose nozaraiko tao arinan’io vidéo io no tena pose « un peu trop » kokoa😂

Et vous ? Vous me trouvez superficielle et ridicule ve?😂

18/01/2024

Retouche photo avec l’application PicsArt ✨

18/01/2024

Masque de riz pour les cheveux 🌾
Afaka tonga dia eny amin’ny 1:13 no manomboka mijery raha efa nanaraka ilay vidéo omaly fa mitovy ihany fanamboarana azy ☺️

Ato anaty description ny details rehetra, merci🤗

Zavatra ilaina:
🍚 Vary
💧Rano
Izay fatra mety aminao na 1 sotro na 2 sotro ary mety rehefa ampy anao izay☺️

Ny tombontsoa azo avy aminy :
- Manome hydratation ny volo
- Mampalefaka volo
- Mitsabo ny volo maina sy simba
- Manamafy ny volo simba sy lasa nanify
- Mampangirana volo
- Mampiena ny fihitsanam-bolo
- Manampy amin’ny fanirin’ny volo

🌺Mety foana na vary mena na vary fotsy
🌺Ampiasaina alohan’ny anasa loha sy volo
🌺Fofona vary mazava ho azy no heno
🌺Mety amin’ny karazam-bolo rehetra
🌺Afaka tehirizina 2 semaines amin’ny toerana mangatsika na anaty frigo
🌺Tsy voatery 1 verra no hampiasaina fa mety na 1 sotro na 2 sotro na 3 sotro izay fatra ampy antsika tsirairay
🌺 Raha tsy misy mixeur dia potserina sy potehina amin’ny sotro na fourchette mba tsy hisy mivaingambainga

Misaotra antsika rehetra manaraka😘

Photos from Valérie Ramahatafandry's post 17/01/2024

Rainy day 🌧

Nilalao orana ve ianareo?😂
´zah tsy nilalao androany 😆

Tsy nitsahatra mihitsy ilay orana androany soa ihany aho fa tsy nivoaka ny trano androany fa nanao montage vidéo foana maraina hatramin’ny hariva😂

Efa nivoaka ao ambany ao ilay eau de riz sy masque de riz atao amin’ny tarehy anh☺️
Rahampitso ny amin’ny volo🤍

Bonne soirée daholo🥀

Videos (show all)

Trend tiktok 😅Vidéo-ako voalohany miteny frantsay eto😂Je suis modèle photo et bien évidemment que… mbola misy be dia be ...
5 idées de pose ✨Matetika tsy hay intsony hoe apetraka aiza ny tanana rehefa maka sary e?☺️ ireto misy sary anaky 5 mora...
Soin des lèvres 👄 Anaty description foana ihany ny détails rehetra 🤍Étape 1: gommage (2 à 3 fois par semaine)-1 sotro si...
Idée de poses photos ☺️Araho nge fa tsotra kely e🤍#photoideas #poseideas #phonephotography
Soin des mains 🤗Anaty description ny details rehetra☺️Etape 1: Nettoyage 🧼 -Rano mafana na matimaty-Savony (izay savony ...
Cherry lips 🥀Adinoko ni-tailler ilay crayon 😂😌
Encore merci Antso 🙏Dia merci daholo  ny mpanaraka rehetra ❤️Tsy niakatra plateau aloha zah anh😂 be dia be manko nareo n...
Soin des ongles 🍂 Vakio ny description sy premier commentaire fa ataoko ao foana ny détails rehetra o😁Zavatra ilaina :✨ ...
Pose photo ambon’ny seza indray o🪑Nanao ahoana ny alatsinainy nareo? Nahafinaritra ve?😁#poseideas #phonephotography #mod...
Idée de pose photo ✨Ela be ilay janvier any aminareo sa vetivety ?😂🥱Bon week-end🥀#photography #phonephotography #poseide...
Retouche photo 🤍PicsArt foana ihany ilay application Tsy haiko fa lamaodin’ireo ankizy amin’izao ity manao flouflou sary...
Ity vidéo ity no vidéo-ko voalohany tany amin’instagram nizara fomba fangalana sary🤍Dia nisy lehilahy izay (tsy gasy sad...

Website