Malagasy Mifanampy
Nearby equipment services
Lot Ivp 82 R Ankasina, Antananarivo
Anjanahary, Antananarivo
Antananarivo 101
Suprem Center, Antananarivo
Antananarivo 101
Anjanahary/Manjakaray, Antananarivo
Lot Iii i 49 Bis Soanierana, Antananarivo
Mascar Anjanahary, Antananarivo
Antananarivo 101
Zone Zital Ankorondrano, Antananarivo
Ampasapito, Antananarivo
Antananarivo 101
Lot Iin 89 Analamahitsy, Ambohibao
Lot Ibg 114 Ter Amboasarikely, Antananarivo
Lot Ii i 20 Aa Morarano, Antananarivo
You may also like
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Malagasy Mifanampy, Engineering service, Washington D.C., DC.
Dépanneur mécanique automobile toute marque essence ou diesel
Spécialiste Radiateur
Spécialiste Electricité Automobile toute marque
Réparation portière voiture toute marque
[TOROHEVITRA-MAHASOA]
🔴TSARA HO FANTATRA🔴
Fantaro ary fa ny fihinanana voankazo ZAVOKA na AVOCAT matetika dia mahalava andro iainana. Marihina fa tsy asiana siramamy akory fa izy natoraly iny ihany.
🔴Mba ho fanampianao ireo namanao tompoko dia PARTAGER AU MAXIMUM izao TOROHEVITRA-MAHASOA izao.
"LAIT D'AMANDE" SY TONGOLO GASY, MAMPITONY NY "IRRITATION DU NERF SCIATIQUE.
Tsy fahatomombanana iray izay tena tsy mampahazo aina ary tena miteraka fanaintaina sy firehetana manomboka eo amin'ny lamosina na fitombenana hatrany amin'ny faladia ny " irritation du nerf sciatique" izay ateraky ny "hernie discale" na "syndrome de piriforme". Mety ho voany avokoa na lahy na vavy. Ho anao izay miaina fanaintainana noho ity tsy fahatomombanan'ny hozatra ity dia fantaro fa ity zava-pisotro natoraly iray ity dia hampitony izany.
👉 AKORA ILAINA:
🔸Tongolo gasy hasiny 4.
🔸" Lait d'amande" 200 ml.
👉 FIKARAKARANA AZY:
1⃣ Potehina ny tongolo gasy.
2⃣ Etsy an-kilany, hafanaina ilay "lait d'amande" ary arotsaka ao ilay tongolo gasy rehefa
manomboka mafana ilay "lait d'amande"
3⃣ Avela hiketrika mandritry ny minitra vitsy ary afangaro matetika mba tsy hangotraka.
4⃣ Vita izay dia dia esorina eo am-patana ary avela mangatsiaka.
5⃣ Ampiana tantely kely alohan'ny hisotroana azy. Marihina fa io fangaro io no sotroina ao anatin'ny 1 andro, ary atao mandrapahafaka ilay fanaintainana.
👉 TOMBONY
Mampihena ny firehetana ary noho izy ity manankarena singa izay "analgésique" dia manala fanaintainana ihany koa izy. Ny tongolo gasy dia "antibiotique" natoraly no sady "anti- inflammatoire" ihany koa ka afaka hikarakarana ireo aretina hafa izay miteraka "infections".
🌕
TOROHEVITRA FAHASALAMANA
©FANAFODY DIABETA NATORALY TENA MANDAITRA : Betsaka ny olona eran-tany izay voan'aretina DIABETA no nampiasa fanafody natoraly izao dia sitrana avokoa tompoko. Anisan'ny voankazo maro tsy mankatia tokoa ny VOATAVO nefa tena manana ny tsiambaratelony.
✅ZAVATRA_ILAINA :
©Voatavo masaka tsara.
✅FOMBA_FIKARAKARANA_AZY :
©Alaina ny voatavo teo dia sasana madio tsara ary esorina ireo voany. Rehefa vita izay dia mixena miaraka amin'ny rano 1 vera ireo voany miisa 10 ary tatavanina izay vao azo ampiasaina tompoko.
✅FOMBA_FAMPIASANA_AZY :
©Sotroina INDRAY vera isaky ny maraina. Adiny 2 na 3 ora alohan'ny sakafo.
✅FAHARETANY_TRAITEMENT :
©Mandritra ny 7 andro.
✅FANAMARIHANA :
©Ilay voany no ampiasaina fa tsy nofiny akory ary tsy voatery maina ny voany voatavo vao mety ampiasaina tompoko. Mazava ho azy fa isaky ny hisotro dia manao vaovao hatrany. Andramo ataovy izao fanafody DIABETA natoraly ity fa tena mandaitra. Tsy asiana siramamy akory ilay jus voany voatavo teo.
Hitako dia zaraiko dia mba zarao sao mahasoa ny hafa
AZO TSABOINA AMIN'NY FOMBA NATORALY NY GOUTTE
Aretina iray tena mampijaly, misy fivontosana marary manaintaina mafy, ary azo lazaina fa mampody adala mihitsy ny GOUTTE, kanefa azo atao tsara ny miady amin amin'ny alalan'ny vokatra natoraly.
1⃣ JUS COCOMBRE + CELERIE + CITRON + GINGEMBRE:
🔶 Maka cocombre 1 dia sasana madio ary voasana dia tetehina madinika.
🔶 Maka sakamalao ohatry ny ankihibe tanana ary sasana madio tsara dia tetehina madinika.
🔶 Maka celerie tangozany 2 dia sasana madio tsara ary tetehina madinika.
🔶 Maka citron tapany dia potserina ao anaty mixeur ny ranony ary alatsaka ao avokoa ireo akora efa voakarakara teo aloha dia asiana rano mangatsiaka madio1/2 vera ary totoina ho tonga jus.
🔶 Io fangaro io ( jus) no sotroina indray mandeha isanandro mandrapahafaky ny fanaintainana sy ny fivontosana.
VOKATSOA AZO AVY AMIN'NY JUS D'ANANAS:
Mahakasika io indray no hozarainay aminao anio.Manatsara ny fahasalamana no sady mitondra otrikaina maro ny jus d'ananas tsy misy fangarony.
IRETO AVY NY VOKATSOA HOENTINY:
~ Anti-inflammatoire (manala fanaintainana)
~ Manampy amin'ny aretina:cancers,cardiovasculaires,hypertension,cholesterol satria noho izy detox izay manala ny toxines rehetra any amin'ny taova rehetra sy any amin'ny ra ary koa diurétique.
~ Misoroka ny vokadratsy ny RADICAUX LIBRE noho izy manankarena manganèse sy cuivre izay mamorona ny hémoglobine SY collagène izay manamafy ny tissus SY ny taolana any amin'ny vanintaolana ka manampy amin'ny aretina osteoarthrite,arthrose,rhumatisme,goutte.
~ Manankarena VIT C izay mitondra hery ary misoroka ny aretina izay mitondra any amin'ny fahanterana haingana.
~ Manankarena VIT B1(thiamine) izay mampatanjaka.
~ Manankarena VIT B6 (pyridoxine) izay manampy ny fiforonan'ny globule rouge izany hoe mitondra oxygène any amin'ny vatana ; Ny VIT B6 koa dia mamadika ny siramamy ho lasa hery. Sady mampiakatra ny tahan'ny système immunitaire.
~ Manankarena CUIVRE izay mamorona ny hémoglobine sy collagène (protéine izay mikarakara ny fahasimban'ny tissus sy ny taolana any amin'ny vanintaolana vokatry ny RADICAUX LIBRE.
~ Manankarena FIBRE izay manatsara ny tsinay no sady manampy amin'ny fandevonan-kanina.
~ Manatsara ny hoditra.
~ Misoroka ny kohaka,rhume,infection.
~ Anti- allergie.
~ Manatsara ny maso.
FOMBA FIKARAKARANA AZY:
* Maka mananasy dia voasana ary tetehina madinika.
* Potehina amin'ny "mixeur" ary tatavanina ny ranony, asiana tantely 1 sotrokely dia sotroina 1 vera isanandro mandritry ny 3 andro ihany.
Ny sovoka 😟 ahoana no fisehony❓ Inona no atao❓
(TSIAHY)
Tahotra fadiranovana hoan’ny bevohoka sy ny mpiteraka ny ho voan’ny sovoka ary tena mahafaty tokoa io raha tsy voatsabo malaky ⚠‘Ndao ary fantarina ny fisehony ☺👇
Inona aloha no mahatonga ny sovoka❓
Hatsiaka : TSIA❗❗❗
🔹Efa nolazaina ihany fa LOTO (tsy hita maso) no mahatonga azy. 💢Misy mikraoba miditra eo @ col (satria mbola tsy mikatona), miakatra anaty tranon-jaza ary mitarika infection 💀
🔹Antony faharoa, misy ahitra tavela any.
Raha ny tokony ho izy manko dia mivoaka ny zaza, mivoaka ny ahitra, averin’ny pia @ laoniny ny tranon-jaza, mihena tsikelikely ny rà. ☝Raha misy ahitra tavela nefa "na dia toy ny silak’hoho" aza dia tsy hiety hiverina @ habeny taloha ny tranon-jaza
Mikaikokaikona (lazain'olona fa rivotra🌀) sy mamoka rà be ny tranon-jaza 😬 (mihezaka mamoaka ilay loto na ambina ahitra), izay ilay SOVOKA 💁
1⃣ Ireto ny fisehony:
❇Mandeha be ny rà (serviette 1/h na mihoatra), mena be foana ny rà mivoaka
❇Mamofona be ny fivaviana (fofon-trondro 🐠)
❇Manavy (miakatra hafanana, mafana hoditra, nefa mahatsapa mangatsiaka ary mangovitra) 🔥❄
❇Marary be tsy zaka ny kibo (tena tsy zaka)
❇Marary andoa be, fanina, malemy, HATSATRA
2⃣Manantona hopital MALAKY ihany no VAHAOLANA :
✅Raha misy potika ahitra tavela dia avoaka (karoina @ tanana) 😬😢
✅Vonoina @ alalan’ny fanafody ny mikraoba tafiditra anaty tranon-jaza 💊
✅ Omena fanafody mampidina hafanana
✅ Raha ilaina dia petahana serum fampantajahana sy ampidirana rà ilay vehivavy 🆎🅾
3⃣Ho fisoroana ary dia :
🌸toerana madio sy azo antoka hiterahana 🌸midio ara-dalàna @ rano nampangotrahana rehefa teraka (tsy hoe rano mamay fa rano efa avy nangotraka)
🌸 tapahana ny hoho 💅,
🌸 tsy misikotsikotra (tampon sns) 🚫 manjary mandefa mikraoba tsy hita maso anaty tranon-jaza, soloina matetika ny serviette fa tsy tazomina ela be
🌸makà aina (rehefa mivizaviza koa ny mpifana dia mandeha be ny rà)😌
Haintsika izay ny sovoka k'aza miroroha saina intsony 😊 Misaotra namaky h@ farany dia mirary soa daholo 😘😘😘
𝗛𝗔𝗙𝗔𝗞𝗘𝗟𝗬
Tao Colombia no nisehoan'ity tranga hafakely ity. Lehilahy iray tsy manan-kialofana mizara hafaliana ho an'ireo vehivavy eny an-dalana.
Rehefa hariva dia manantona ireny tsena fivarotana voninkazo ireny ity lehilahy ity ary mitsipona ireo voninkazo mbola tsara ary mizara izany ho an'ny mpandalo.
Ny tanjony dia mizara hafaliana rehefa tsy manana vola ho zaraina satria ny fahasambarana lehibe indrindra eto an-tany dia ny manana fahafahana mizara ho an'ny hafa ary mitondra hafaliana ho an'ireo mandray izany tsy andrasana tambiny.
NY TOMBOTSOA ENTIN'NY VOAN-DRAKETA EO AMIN'NY FAHASALAMANA
Ny voan-draketa dia voankazo hita any amin'ny tany mafana, matetika dia maniriniry eny izy ity fa misy ihany koa eto am-povoantany dia ahitana azy maniry eny amin'ny tokontanin'olona eny, izany hoe tena nambolena mihitsy. Voankazo manankarena otrikaina sy mineraly maro izy ity: magnésium, vitamine C, antioxydants, vitamine B(B2, B3, B6, B9), Beta-carotène, fer, calcium ary potassium. Noho ireo otrikaina maro ireo dia tena manatsara ny fahasalamana ny fihinanana azy(atao jus) satria:
MAMPIAKATRA NY TAHAN'NY SYSTEME IMMUNITAIRE NO SADY MIADY AMIN'NY ARERAHANA MITARAZOKA(FATIGUE): Ahitana otrikaina sy mineraly maro amin'ny tahany ambony izy ka tena mampiakatra ny tahan'ny "systeme immunitaire" no sady miady amin'ny arerahana mitarazoka.
MIADY AMIN'NY RARIN-TSAINA, SPASMOPHILIE, CRAMPES, FATIGUE, MANATSARA NY FITADIDINA: miady sy misoroka ireo tsy fahatomombanana maro eo amin'ny fahasalamana ireo ny fisotroana (jus) amin'ity voankazo ity satria dia ahitana vitamina sy mineraly maro ao aminy, ahitana antioxydant ihany koa izy ka tena manatsara ny "systeme nerveux" ary manampy betsaka ny olana sendra ireo olana ireo ny fisotroana azy.
AFAKA HANENANA VATANA NO SADY MANADIO IREO TAOVA TOY NY TSINAY, VAVONY, VOA ARY MAMPIDINA NY TAHAN'NY "MAUVAIS GRAS LDL", "TRIGLYCERIDE", "GLYCEMIE": noho ity voankazo ity ahitana "antioxydants" dia mampidina ny tahan'ireo "toxines" izay manankorontana ny fahasalamana toy ny "mauvais gras LDL", "Triglyceride", "glycemie". Manadio taova aty, tsinay, voa ihany koa izy ary noho izy "anti-inflammatoire" sy "antioxydant" matanjaka dia miady amin'ny olana eo amin'ny vavony toy ny: "ulcère", "gastrite".
MIADY AMIN'NY "PROSTATE": voankazo manankarena rano ny voan-draketa ka tena mampivalandrano(diurétique) no sady ahitana "antioxydants" dia tena tsara entina miady amin'ny "prostate". Noho izy ahitana rano betsaka dia mamahandrano ny vatana ihany koa izy, izany hoe mety amin'ny olona tsy ampy rano.
CONTRE INDICATION: Tsara raha manao fitiliana matetika mahakasika ny tahan'ny siramamy ny olona "diabétique" izay manaraka "traitement" aminy fa mampidina be ny tahan'ny siramamy izy ity ka sao lasa miteraka "hypoglycemie" indray ary koa tsy mihinana matetika azy izay efa ambany na antonina ny tahan'ny siramamy ao aminy. Tsy mahazo mihinana azy ny vehivavy mampinono sy bevohoka. Tsy atao diso matetika loatra ny fihinanana azy ity fa mahatonga ny "occlusion intestinales".
☝ Ny fahatsoranao diso tafahoatra , no mamotika anao ☝
-- Tsara ny fahatsorana , tsara ny manampy ny hafa , fa saingy aza mba diso tsotra loatra
-- Rehefa diso tsotra loatra ianao , lasa adinonao ny tenanao , fa lasa variana manompo ny hafa , ataon'olona fitaovana
--;Olona mila anao , eo foana ianao , fa rehefa ianao mila olona ,aiza izy ?
-- Mahaiza mametraka hoe rehefa Eny dia Eny fa rehefa Tsia dia Tsia , fa tsy voatery hanaiky foana ianao , na dia zavatra hamotika anao aza😭.
-- Na amin'ny finamanana na fitiavana na amin'ny asa na amin'inona , tsy mety io diso tsotra loatra io ,fa olona iray rehefa tsotra loatra , lasa mijaly foana 💔
-- Misy fotoana mantsy ianao na zavatra tsy mety aminao aza fa matahotra ny ahilika ny hafa , dia voatery manaiky foana , na zavatra hamotika anao aza💔 , atao ahoana eee , tsy fidiny ho ahy anie sns...
-- Mba mametraha ny maha izy azy ianao , omeo lanjany ny tenanao , manaova soa ny hafa , fa saingy aza manaiky atao fitaovana, handeha ny olona , avelao handeha , hijanona avelao
hijanona...
-- Manana hasina sy lanjany ny tenanao , koa aza manaiky atao izay tiana hanaovana azy
✅ Tadidio foana ity teny ity :" Ny fahatsoranao diso tafahotra no mamotika anao" .💔🙏
Mahafinaritra anao
NY AKORA MISOROKA NY FAHATSENTSENAN'NY LALANDRÀ.
Ny fahatsentsenan'ny lalandrà dia tsy fahatomombanana iray eo amin'ny fahasalamana izay tena manankorontana ny fiasan'ny taova maro ao anaty, mampiakatra ny tosidrà ihany koa. Maro ny antony mahatonga ny lalandrà ho tsentsina, fa tena miteraka izany voalohany dia ny fihinanana sakafo feno menaka ratsy hoan'ny vatana "mauvais gras". Azo atao tsara anefa ny misoroka izany amin'ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy vokatra natoraly(gamme d'entretien à base de girofle, vokatra ato aminay) izay tena mandaitra be avokoa. Momba izay indray no torohevitra entina ho anao anio.
NY TONGOLO GASY
Ny tongolo gasy tokoa dia manana fahafahana manala ireo singa manentsina ny lalandrà. Manankarena "antioxydant" be dia be mantsy izy, izay tena miady amin'ny "mauvais gras LDL" no sady manala ireo karazana "toxines" any amin'ny rà. Izany dia hanatsarana ny fikorian'ny rà ary koa mampidina ny tsindry mihantra amin'ny lalandra. Koa raha mihinana tongolo gasy manta hasiny 2 isanandro isika, dia azo antoka fa tsy ho tsentsina mihitsy ny lalandrà.
NY MENAKA OLIVE
Izy dia entina misoroka ny fahatsentsenan'ny lalandrà, ahitana singa misakana ny "mauvais gras LDL" tsy hiraikitra amin'ny sisin'ny lalandrà tokoa mantsy ao aminy. Ny fihinanana azy iray sotrokely(1 CàC) isanandro dia misoroka ny fahatsentsenan'ny lalandrà.
NY APONGABEANDANITRA
Izy ity ihany koa dia tena mandaitra raha entina misoroka ny fahatsentsenan'ny lalandrà. Manankarena "antioxydant" be dia be koa mantsy izy. Ny fihinanana azy dia mampihena ny fahasimbana ateraky ny firaiketan'ny menaka ratsy amin'ny lalandrà. Tsy izany ihany fa mbola mandevona ireo menaka manentsina ity farany ihany koa izy.
NY "AUBERGINE"
Ity legioma iray ity dia manadio tanteraka ny lalandrà manontolo, ary koa mampihena ny tahan'ny farany ambany ny "mauvais gras" ao amin'ny rà. Io singa io dia tena tsara be hoan'ny fahasalaman'ny fo ihany koa. Manankarena "pectine" ihany koa izy ary mampihena ny tahan'ny "lipoproteine". Izany hoe misoroka tanteraka ny fahatsentsenan'ny lalandra izany ny fihinanana azy. (Atao jus) ary misotro azy matetika ( 3 fois par semaine).
Ny tantely dia zavatsoa voajanahary ,sarobidy ho an'ny fahasalamana sady mampitombo hery sy tanjaka...
-Miaro , manampy betsaka amin'ny fitsaboana ny aretin'ny taovam-pisefoana ,azo hitsaboana ratra sy fery (pansement)
-mampihena fanaintainana vokatry ny aretim-bavony ,miaro ,maka tantely iray sotro atao iray vera ,sotroina isa maraina mialoha ny sakafo...
-manamora ny fandevonan-kanina ihany koa izy io
-ny singa tsara izay hananan'ny tantely dia miaro aminy fahanteran'ny sela ,mahatanora lalandava ,miaro aminy aretiny lalan-dra sy ny aretim-po..
Tsara atao solona siramamy indrindra hoan'ny olona diabetika ...
Manakarena kaloria sy gilisida ihany koa (riche en calories et glucides)
Fantaro tsara ary rehefa movidy tantely fa arakarakin'ny voninkazo na hazo nakanin'ny tantely ny maminy ny vokatra tsara azo aminy fa ny tena tsara indridra dia ny ''Tantely velon-dreny ''
NB: -aza mba sarahana tantely sy vaingatsira ao an-tokantrano fa sady mahasoa no mahatsara
Randriason Sand Asombola
NY FAHEFANA MAMPITOLAGAGA ANANAN'NY SOKATRA ...
Miaro amin mosavy alefan olona amin alalan ny varatra
-miaro amin fahasamponan ny zaza ra vao manomboka ny vohoka
-fanala mosavy maro zany oe tsy andairan dratsy amin resaka gafy ataon olona (vorika)
Raha efa voa vao miompy azy dia mihena ny herin le mosavy fa tsy afaka
Oetina hitsaboana aretina maro toy ny
-asthme
- depression
- spasmophilie aigue
- epiplepsie
- allergie climatique
- angine cardiaque
2-ny sakafon ny sokatra
Mihinana salade,akondro,oditra legume sns izy
Tsy azo omena anamamy sy hena kisoa
3-ny tsara ho fantatra
Ny carapacen ny sokatra dia detecteur d energie negatif .araka2 ny taux d energie negatif no mahatonga n sokatra iray ho lasa tsy de mahasakafo loatra na sarotra taizana.na koa miova miepaka n loko amin carapaceny.
Anti rayonnement ny carapace.zany oe vonoin ny olona ilay sokatra ary asiany volamena na zavatra sarobidy ao anatiny (entre le carapace dorsale et ventrale). Fa tsy hitan ny scanner ny ao anatiny ary io no maha lafo ny bizina sokatra.
Misy element special avokan ny p**i an tsokatra ary miteraka effet tsra amin fahasalamana.
Tsy azo vonoina fahatany ny sokatra fa misy zavatra atao refa hamono azy.
Ny fon'ny sokatra na efa maty aza le sokatra de mbola mitempo. Ary anisan anaovana fanafody tena lafo ny sokatra.
4-karazany
Araka2 ny habehan lay sokatra no heriny sy tanjak ilay voalaza eo ambony reo
Ny karazany kosa dia misy particularite oe matanjaka kokoa n effet
Amin le karazana otran zao ra oharina amin le ray.
Plus betsaka ny couleur noir amin carapace.plus matanjaka ny effet
Randriason sand Asombola
[TOROHEVITRA-MAHASOA]
FANAFODY NATORALY TENA MANDAITRA TOKOA @ FITSABOANA NY ARETIM-PO : Anisan'ny aretina mpahazo ny Ankizy na Olon-dehibe ankehitriny ny aretim-po, mety manahirana raha toa ka tsy voatsabo haingana izany.
:
=> Voatabia Masaka Tsara
:
Alaina robot fanaovana jus naturel ireny dia mixena ao anatiny ao VOATABIA miisa roa miaraka amin'ny rano kely. Rehefa vita izay dia tatavanina atao anaty vera efa madio tsara.
:
Sotroina Indray vera ny maraina vao mifoha sy ny hariva alohan'ny hatory.
:
Mandritra ny 2 semaines
:
Tsy atao siramamy ny jus de tomate teo no tena tsara kokoa, nefa afaka asianao siramamy na tantely ihany. Mazava ho azy fa isaky ny mampiasa ilay jus dia manamboatra vaovao hatrany.
MPIVADY :
FANARARAOTANA ARA-PIHETSEHAM-PO :
FAMANTARANA FOLO ( 10)
Ny fanararaotana ara- pihetseham-po dia tsy inona akory fa fanjakazakana ataon'ny andaniny amin'ny ankilany , hikendreny hifehezana ny anankiray . Endrika isehoan'ny herisetra ihany koa izany .
Mety samy hanao fanararaotana ara-pihetseham-po amin'ny vadiny na ny lahy na ny vavy . Ny zava- doza dia ny mety ho fiheverana izany ho zary fisehoan-javatra ara-dalàna eo amin'ny fifandraisan'ny mpivady , kanefa ny vokatra aterany dia mety handratra fo mandavan-taona , hampangatsiaka ny fifankatiavana ao anatin'ny tokantrano , ary hanimba ny fanabeazana ny zaza .
Ireto ary misy fanairana folo (10) famantarana ny fanararaotana ara-pihetseham-po :
1) Manambany anao eo anatrehan'ny hafa ilay mpanararaotra . Sahiny ny manevateva anao eo anatrehan'ny zanakareo .
2) Tsy mihaino ary tsy miraharaha ny hevitrao izy . Manao ny tenany ho manana ny marina mandrakariva izy .
3) Mampiasa teny manarabiraby anao izy . Manome anarana petaka na solon' anarana anamavoany anao izy .
4) Tsy miraharaha izay ezaka na asa tsara vitanao izy . Mahavantana azy ny manasongadina ny fahalemenao sy ny tsy mety ataonao .
5 ) Manendrikendrika anao amin'ny zavatra tsy ataonao izy . Matetika izy no manondro anao ho loharanon'ny tsy fetezan- javatra ao an- tokantrano .
6 ) Malaina miresaka aminao izy . Tsy mamaly izay fanontaniana apetrakao aminy. Tezitra sy mampiaka-peo avy hatrany izy raha vao iresahanao .
7 ) Tsy hainy ny mipetraka eo amin'izay manjo anao . Tsy miraharaha izay olana mianjady aminao izy .
8 ) Mifehy irery ny ara- bola eo aminareo izy. Ferany sy arahiny maso na dia ny kely indrindra amin'ny vola ampiasainao aza .
9 ) Mandrahona ny handao sy tsy hikarakara ny tokantranony izy rehefa tsy mety hanaraka ny sitrapony ianao .
10 ) Manao fihetsika mampisy elanelana ara - pihetseham-po izy : tsy miraika amin'ny fanehoam-pitiavana amin'ny maha- mpivady , na koa manao an- tery setra izany fotsiny .
FEHINY :
Manaitra antsika amin'ny mety ho fisian'ny fanararaotana ara-pihetseham-po ao an- tokantranontsika no anton'ny fitanisana ireo famantarana 10 ireo .
Ny fahatsapan - tenan'ny tsirairay no zava-dehibe mba hisian'ny fandraisana andraikitra na eo amin'ny lahy na eo amin'ny vavy .
Tsy misy olona tonga lafatra , kanefa raha tiana ny vady dia hajaina ny maha - olona azy . Adidy masina ny fikolokoloana mitohy ny fifandraisana sy ny fifankatiavana mba hananana tokantrano vanona , hitondra soa ho an'ny vady aman-janaka .
Raoeliarijao
RENY :
NY TOE- PO TSARA
MAHATSARA TAREHY
Tsara tarehy avokoa ny olona rehetra araka izay nanamboaran' Andriamanitra azy , saingy adidintsika kosa ny mikolokolo izany isan'andro , indrindra amin'ny alalan'ny fifehezana ny toe- po .
Mitady izay hahatsara tarehy azy mandrakariva ny olona , indrindra fa ny vehivavy ; fa ny mampalahelo dia ny ataon'ny olona ihany matetika no maharatsy tarehy azy , ka very maina fotsiny ny vola sy ny fotoana nolaniany mba hikarakarany ny tarehiny .
1) Mba saino kely ange ireto zavatra maharatsy tarehy ireto e :
- Ny hatezerana : na dia fihetseham-po ara-dalàna eo amin'ny olona aza ny hatezerana , dia manimba ny hatsaran- tarehiny izany : mikentrona na mifandrirotra ny hodi- tavany ; mivontirika na mivandravandra ny voa masony . Tsy misy olona tezitra ka mahafatifaty sy maha te hijery . Mitondra tahotra sy horohoro ho an'ny zaza ny endrika feno hatezerana .
- Ny fitenenan- dratsy : ao anatin'izany ny ompa , ny teny fankahalana , ny fialonana sy ny fifosana olona . Izay zavatra tenenin'ny vavanao dia eo amin'ny tarehinao no ahitana azy voalohany . Rehefa miteny ianao hoe :
" Ito dia zaza mahatsiravina ! " , dia tandremo fa ny tarehinao no lasa mahatsiravina voalohany fa tsy ilay zaza tsy akory .
2) Raha te ho tsara tarehy kosa ianao dia :
- Miezaha miteny zavatra tsara sy miabo araka izay azonao atao : teny fankasitrahana , firarian- tsoa , fampaherezana . Rehefa miteny ianao hoe : " Mahafinaritra izany akanjonao izany a ! " , miaraka amin'izay dia mahafinaritra koa ny tarehinao . Ho tsara ny molotrao rehefa zarinao hiteny zavatra tsara .
- Ho tonga mahafatifaty ny masonao rehefa zarinao hankasitraka ny zavatra tsara hitanao eny amin'ny hafa . Ny maso mankasitraka (fa tsy mangarika ) dia sady mahatsara tarehy no mahasalama ny fo . Mahazo aina sy finaritra ery ny zaza rehefa jerena amin'ny maso mahay mankasitraka .
- Mizara mitsiky aloha vao miteny . Ny tsiky vokatry ny fo dia tena mahatsara tarehy , na dia ho an'ny efa antitra aza . Mandamina ny hoditry ny tava ny tsiky no sady fanalahidin'ny fifandraisana .
Tsarovy fa ny olona ao amin'ny ankohonanao no tokony hahazo tombontsoa voalohany amin'ny hatsaran- tarehinao , amin' ny alalan'ny ireo fikoloana ny toe-po tsy andaniam- bola ireo . Tahaka ny masoandro mamirapiratra ho an'ny zaza ny fahitany ny reniny amin' izany endrika soa izany .
Raoeliarijao
Maro ireo sakafo mavesatra nohanina, toy ny Sakafo matavy sy zava-pisotro isankarazany izay mety ampihetsika ny aretim-bavony sy aretin-kibo koa ity misy torohevitra atolotray anao mba hanafahana izany.
THÉ CURCUMA
FOMBA FIKARAKARANA AZY:
➡ Maka tamotamo lena dia sasana madio tsara ary voasana.
➡ Kikisana madinika ary fihazana ny ilay izy mba ahazahoana ranony 2 sotro fihinanana.
➡ Maka rano mamay iray(1) kaopy 1/4 de litre ary alatsaka ao ilay ranona tamotamo roa( 2) sotro fihinanana.
➡ Mamina amin'ny tantely rehefa matimaty ary sotroina indray mandeha isanandro ihany, tsara raha ny maraina vao mifoha no misotro azy.
❌ Raha vovony no hanananao dia mila fantarina tsara hoe tena curcuma tsy misy fangarony ary atao iray (1) sotro fihinanana ny fatrany ary ampiarahina amin'ny rano mamay 1/4 de litre dia mamina amin'ny tantely rehefa matimaty.
Marihinay fa rehefa tsapanao fa mitsahatra ny aretin-kibo na ny aretim-bavony dia ajanona ny fihinanana azy. Raha fanadiovana taova kosa dia atao dimy(5) andro misesy ihany.
Mirary soa hatrany.
Zazakely mikoaka foan na voan'ny sery matetika👶
Heno mihitsy hoe misy rehoaka ny tratrany fa misatrasatrana be izy rehefa miaina🤔
Miarahaba tompoko👩🏻⚕️
Misy azontsika atao ary tena tsotra kely izy ity, mahasolo "aérosol" mihitsy aza raha mazoto isika
👉🏻 Evoka ranontsira
Ny fomba fanaovana azy dia mila vilany lehibe misarona misy rano mangotraka ary asina sira eraky ny sotro lehibe, atao betsabetsaka ilay sira raha vilany lehibe no hampiasaina
Saromana tsara aloha ilay vilany mosy ranontsira mangotraka ary hapetraka ambay @ tany
Alaina ny zazakely ary atao miohoka eo amin'ny lamontsandry nu kibony
Ny tena tsara dia salakaina amin'ny tanana izy mba tsy hianjera
(Misy sary fanehoana ao 👇🏻 tompoko raha tsy mazava)
Mitsanagana ianao amin'izany ary sokana moramora ilay vilany
Atao tratran'ilay entona avy amin'ilay ranontsira ilay zaza fa tandremo sao dia may ,,, tsy de atao akaiky loatra,,, moa koa henonao amin'ilay tananao raha mamay be loatra...
Atao izay mandrapahalany ny entona rehetra,,, ny tena tsara mahavita manao an'izay maraina atoandro hariva
Na marain-tsy hariva raha tsy araka
👉🏻 De ho hitanao fa ho afaka ilay rehoaka @ tratrany👶🏻 ary hivoaka any @ kakaany💩
Tsy voatery ihinampanafody foana amin'izay ny zaza 🥰
Iza no efa nanao evoka ranontsora koa?
Mirary soa ho an'ny mitaiza kely rehetra ô🌸
NY HERIN’NY FAHANGINANA
Misy fotoana ry sakaiza , mila mangina isika . Amin’ny ady sasany atrehintsika dia mila manakombom-bava isika . Amin’ny saina voalanjalanja tsara , dia tsy fahalemena akory ny tsy miteny , fa hery enti- mandresy ny ratsy.
Fa ny fahanginana misoroka ny fifandirana ;
Ny fahanginana miaro anao tsy ho tezitra ;
Ny fahanginana manome fotoana anao hisainana ;
Ny fahanginana manakombona ny vavan’ny tsy tia ;
Ny fahanginana manakatona ny varavaran’ny devoly .
Na i Kristy aza , tamin’ny ady mafy natrehiny , dia « nanetry tena ka tsy niloa-bava »
Isaia 53 : 7 .
« Ny teny maro tsy ilaozan’izay ota ; fa izay mahatana ny molony no hendry. »
Ohabolana 10 :19
« Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana ; ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina. » Ohabolana 17 :27.
Matetika no ao amin’ny fahanginantsika ry sakaiza no andrenesantsika ny hetsik’Andriamanitra . Hoy ny teny fikasany ho ahy sy ho anao :
« Jehovah hiady ho anareo , fa ianareo kosa hangina. » Eksodosy 14 :14.
Raoeliarijao
FISINTONANA TARATASY FAHAZAHOAN-DALANA MAMILY FIARA
NA « RETRAIT DE PERMIS DE CONDUIRE »
Toy izao ireo toetoetry ny fandikan-dalàna mitarika amin’ny fisintonana fahazahoan-dàlana mamily fiara :
1- Fitondrana fiara ao anatin’ny hamamoana ;
2- Fitsoahana rehefa avy nanao loza na hadisoana ;
3- Fandehanana mafy mihoatra ny tokony ho izy ;
4- Fandehanana mafy miteraka fahafatesana na faharatrana biby manan-tompo ;
5- Fahazahoan-dàlana mitondra fiara tsy misy ny takelaka fanoratana ny hadosoana ;
6- Tsy fijanonana iniana atao rehefa sakanan’ny manam-pahefana mahefa ;
7- Tsy fanajana ny fiara tokony handeha avy hatrany na « Refus de priorité »;
8- Fijanonana amin’ny arabe amin’ny alina na amin’ny fotoana misy zavona, amin’ny toerana tsy misy hazavana nefa ny fiara sady tsy misy jiro no tsy nametaka fitaovana fampahalalana mialoha ;
9- Fijanonana maharitra na malaky amin’ny toerana mampidi-doza.
Tsy maintsy anaovana fanamarinana ny fisintonana ny fahazahoan-dàlana hamily fiara amin’ny alalan’ny fanomezana « Récépissé » ka omena ilay nanao fandikan-dalàna ny dika mitovy iray amin’izany.
Sary fanehoana nindramina
natoraly tena aingam-piasa indrindra ny huile essentielle de girofle
🌷FAMPIASANA_AZY
Diovina manontolo ny nify indrindra ilay nify marary , alaina @ landihazo (coton) ny huile essentielle de girofle io ka atao ao @ ilay nify marary mandritra ny 10minitra eo eo .
Rehefa vita izay dia esorina ilay landihazo ary tsy kobanina aloha ny vava fa avela hiasa hatrany ilay fanafody.
🟫Raha nify ambony dia alaina ny coton tige madio tsara dia asina Huile essentielle de Girofle ary atao ao @ ilay nify goka na marary
🟫Raha nify ambany kosa dia asina 1goutte ao anatin ilay nify goka na ilay nify marary
🌷FAHARETANY FITSABOANA
Ampiasana 3 andro misesy , indray mande ao anatin'ny iray andro ary afaka in-2 na in-3 isan'andro izany raha mbola marary ilay nify .
Manasitrana ny aty vava rehetra ihany koa izy io toy ny ; aphte sns ...
🌡️Manala ny fofona ratsy @ vava
🌡️Manala olimanara sy ny carie
Afaka anorana , afangaro @ menaka fampiasa , manampy @ fanalana havizanana sy ny mangotsokotsoka @ vatana
🔴FANAFODY NATORALY MANASITRANA NY ARETINA PROSTATE TENA MAHOMBY🔴
Fantaro ary fa ny aretina PROSTATE dia matetika mpahazo ny lehilahy rehefa manomboka mahazo taona. Araka ny voalaza ny manampahaizana dia vokatry ny fanaovana firaisana ara-nofo tafahoatra no antony mahatonga azy.
🔴ZAVATRA-ILAINA🔴
🔵Tongolo Manta.
🔴FOMBA-FAMPIASANA-AZY🔴
🔵Alaina ny TONGOLO MANTA 1 lehibe dia voasana ary tsakoina. Ka ny ranony ihany no atelina fa ireo fakany dia afora. Mazava ho azy fa indray mandeha isan'andro ihany no mampiasa azy. Ka mandritra ny 1 volana ny faharetany traitement.
🔴Mba ho fanampianao ireo namanao tompoko dia PARTAGER AU MAXIMUM izao TOROHEVITRA-MAHASOA izao.
Ny zazah anao ve tia rano sa tsia❓
Tena ilaina ny rano: 60-75% n'ny lanjan'ny ankizy dia rano avokoa 😲😳
Tsarovy fa raha tiana ho tia zavatra iray ny zaza dia dieny vao kely izy dia mila zarina (rano, legioma, voankazo...) 🍼🍅🍌🍆
😕 Ho an'ireo izay tsy tia rano dia manampy foana ny fampiasana ireny karazana gourde kely mahafatifaty ireny satria mampazoto misotro azy iny 😁
...IREO TOMBOTSOA 3 LEHIBE AZO AVY AMIN'NY SIGARA !...
1-👍Tsy mety antitra ny mpifoka sigara
2-👍Tsy mety lanin'ny alika ny mpifoka sigara
3-👍Tsy mety tratran'ny vaky trano ny mpifoka sigara
👉👉👉👉FANAZAVANA👈👈👈👈
1-⛔Tsy mety antitra izy satria maty tanora nohon'ny aretina maro mety azo amin'ny fifohana sigara !
2-⛔Tsy mety lanin'ny alika izy satria mora malemy ny hozatra ao aminy hany ka mitondra tehana izy rehefa mandeha ka izay alika mahita azy dia mitsoaka fa matahotra ilay tehana !
3-⛔Tsy mahasahy miditra ao an-tranony ny mpangalatra satria izy mikohaka foana mandritra ny alina, eny fa na dia efa tena any amin'ny lanitra fahafito aza dia mbola mikohaka foana. Manelingelina ireo mpangalatra izany satria tsy fantany mazava hoe amin'ny fotoana
inona no tena matory ilay mpifoka sigara...!!
Zarao, aparitao sao mahasoa ny hafa...
©Mandravaka ny Fiainanao
🔴TSARA HO FANTATRA🔴
Fantaro ary fa tena mampalaelo no mahazo ny tarehiny ity ranamana ity, vokatry ny fampiasana ireo vokatra simika isan-karazany. Raha mbola azo atao dia aleo mijanona natoraly hatrany tompoko.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the business
Website
Address
Washington D.C., DC
34678
Washington D.C.
An affiliate of the US Chamber of Commerce, our mission is to unify policymakers, regulators, business leaders, and the American public behind a common sense energy strategy to hel...
800 G Street SE
Washington D.C., 20003
A professional practice of landscape architecture committed to artistic design solutions that balance sustainable practices with concerns about life-cycle costs and maintenance. o...
Washington D.C.
Lilac Med was created to bring an end to Covid -19 pandemic. We are a company composed of Doctors, Designers, Engineers, and Scientists. Our team is leading the way in Medical tech...
1100 H Street NW, Suite 805
Washington D.C., 20005
Program, Construction, & Facilities Management
Washington D.C., 20012
CNC Civil Services, LLC is a client focused subsurface utility investigative firm based out of Washington, D.C. Our primary services consist of private utility locating, utility d...
1800 Massachusetts Avenue Northwest, Suite 100
Washington D.C., 20036
Entrepreneur-friendly software development agency
1050 30th Street, NW
Washington D.C., 20007
Huska Consulting provides full-service civil engineering design specializing in small to mid-size projects. Our projects range in scope from residential, commerical, and institutio...